Publié le 25 octobre 2022
Noho ny raharaha nahafaty olona marobe tany Ikongo ny faha 29 aogositra 2022 iny, dia nanao fanambarana ny La Gazette la Grande Ile fa manohana ny vahoaka anyIkongo ary miray fo sy miray saina amin’izy ireo ary miombona alahelo koa aminy. « Isika rehetra Ikongo », « nous sommes Ikongo », « we are Ikongo ». Ireo no navoakan’ny La Gazette hatramin’izay ka hatramin’izao , ankoatran’ny lahatsoratra marobe izay navoakan’izy ireo amin’iny raharaha famonoana olona faobe sy hadalana nataon’ny fanjakana iny.
Mbola nanao « tee shirt » koa ity orinasa fanaovan-gazety ity ho fanohanana ny vahoakan’Ikongo.
Teo anatrehan’izany dia nandefa fisaorana hoan’ny orinasa ireo mpanjaka sy Ndrenogny sy Iaban’ny tany ary ny Anakandriana any Ikongo hoan’ny orinasa sy ny mpiasa rehetra ary indrindra ny PDG Lola Rasoamaharo izay tompon’ny gazety.
Jesy Rabelaolao