Publié le 29 octobre 2022
Tao am-pianarana
– An’ise ry Zefa ! hoy Ramose. “INONA NO ATAO HOE TANINDRAZANA ?
– Ny atao hoe TANINDRAZANA, ramose, dia TANY NAHALATSAHAN’NY TAVONIN’NY RAZAKO.
– Ary ise io ry Bema !… Mba mihaino ny fanontaniana napetrako teo, ve, ise sa hamadibadika io boky io fotsiny e ?
– Mihaino aho, Ramose !
– Inona no fanontaniana napetrako teo ?
– Hoe : Inona no atao hoe TANINDRAZANA !
– Ka inona, àry, no atao hoe Tanindrazana ?
– Ny Tanindrazana, ramose, dia TANY NAHALATSAHAN’NY TAVONIN’NY RAZAN’I ZEFA !
– ???