Publié le 31 octobre 2022
Gaga ny reniny. Gaga izy mianadahy zanany. Nanontany ny vady aman-janany, manko, i Razefa rainy :
– Hono ho ‘aho : IZA AVY, MOA, IRENY HAVANTSIKA IRENY ?
– Havantsika iza, ry Dada ? hoy ny vadiny.
– Rehefa mety ho havantsika e ! … MBA TIAKO HO FANTATRO DAHOLO !
– Hatrizay hatrizay i dada tsy nanontany havan, ka izao vao … ! … Fa ataon’i dada inona ny havantsika ?
– SSS ! … Tsy hainareo, angaha, fa amin’ny herintaona ny fifidianana, ka tiako mba ho fantatra daholo ireo fianankaviantsika !
– ???