La Gazette de la grande ile

Sekta eto Madagasikara : Mahazo vahana ny fanararaotan’olona

Publié le 02 novembre 2022

Maro amin’ny Malagasy no mandray ny filoha Rwandais Paul Kagamé ho fitaratra satria tao anatin’ny taona maromaro izao dia anisan’ireo firenena heverina fa tokony halain-tahaka i Rwanda raha ny fandrosoana no resahina, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Ny zavatra tsy dia resahana firy anefa rehefa miresaka an’i Paul Kagamé dia, ary tsy fantatry ny Malagasy maro dia vao tonga teo amin’ny fahefana ny tenany dia fiangonana miisa enina arivo no nakatony tao Rwanda, mazava ho azy fa sekta daholo ny ankamaroan’ireo. Ny antony, fantatr’ity filoha Rwandais ity tsara fa fandrebirebena saim-bahoaka sy ny fanangonan-karena fotsiny no tena ataon’ireo sekta, ary lasa vato misakana ho an’ny fampandrosoana ihany koa. Tsy mba manana an’izany fomba fijery izany ny mpitondra nifandimby teto amintsika fa ny mifanohitra amin’izany aza no misy eto amin’ny firenena satria havela haniry ohatran’ny anana ny sekta eran’ny Nosy.

Ankaotra ny fanangonan-karena amin’ny alàlan’ny rakitra sy ny ampahafolon-karena, dia misy amin’ireo sekta eto amintsika amin’izao no tena manararaotra mampiasa ireo mpivavaka ao aminy, ary tsy misy tahotra sy henatra intsony. Tato ho ato, raha ny eto Andrenivohitra no resahina dia hita ho miha maro ny tanora vavy sy lahy mitory teny sy mandihy eny amin’ny sisin-dalana mangata-bola toy ny mpangataka. Fantatra ankehitiny fa ny ankamaroan’izy ireny dia mpivavaka any amin’ny sekta ka ny pasitera no maniraka azy ireo hanao izany. Mitety faritra maromaro ireo tanora ireo ao anatin’ny andro iray ka ny vola azo dia ifampizarana amin’ny pasitera. Mbola tokony hianatra any an-tsekoly anefa ireo tanora ireo fa terena hitory teny sy hitsinjatsinjaka eny imasom-bahoaka mba ahazoana vola. Etsy ankilany, misy amin’ireo sekta sasany ihany koa no manery ireo ankizivavy sy ankizilahy hiasa ho an’ny fiangonana isaky ny misy fotoam-pivavahana na amin’ny andavan’andro aza. Ohatra amin’izany ny FKMV (Fiangonan’ny Kristianina Miara-mivavaka ) izay manana ny foibeny eny Manarintsoa Isotry sy ny Sekta Emia eny Andranomena tarian’ny pasitera Joss. Santionany fotsiny ireo fa mbola maro no manao izany eran’ny Nosy. Fanararaotan’olona tahaka izany no ataon’ireo sekta eto amintsika kanefa dia jeren’ny Fanjakana fotsiny.

Ramanana

Lire aussi