La Gazette de la grande ile

Vahoaka Malagasy : Manaiky be fahatany

Publié le 03 novembre 2022

Gaga ny ankamaroan’ny mpandinika amin’ny fomba fihetsikin’ny Malagasy ankehitriny. Ekeny avokoa izay zavatra rehetra mianjady aminy amin’ny lafiny rehetra. Hatrany amin’ny kolontsainy izay efa simban’ny mpitondra sy ny mpijirika avy any ivelany, ny fanabeazana sy ny fampianarana  izay potika sy mivaralila nohon’ny tsy fahaizana mamaritra intsony ny sori-dalana tokony hitondrana ny firenena. Ny toe-karena izay viravirain’ireo olom-bitsy fa indrindra ireo mpijirika avy any ivelany. Vokatr’izany dia lasa mikorontana sy mikorosofahana tanteraka ny fiainam-pirenena. Fahantrana mbola tsy nisy toa izao no nitranga teto Madagasikara. Ny kere tsy nijanona any atsimo intsony fa efa mahazo an’Atsimo atsinana sy ny faritra hafa koa toa ny any Menabe.

Be dia be ny olana aram-piainana mianjady amin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy mbola nisy fahantrana toa izao teto Madagasikara hatramin’izay nahazoana ny fahaleovantena izay. Mangina tsy miteny ny Malagasy eo anatrehan’izany. Malemy tanteraka satria resy koa. Manaiky be fahatany hoy ny fitenenana.

Misy ny milaza fa fahanginana mampieritreritra no mitranga amin’izao fotoana izao. Efa leo ny korontana izay tsy niteraka fahasoavana hoan’ny firenena ny Malagasy.

Tsy ho voatery hikomy na hanao fanonganam-panjakana nefa ny fanehoan-kevitra raha toa ka manohitra ireny zavatra tsy rariny ireny. Fomba iray mahomby amin’ny fitadiavam-baholana ny firesahana. Mitady izany ny firenena ankehitriny na tsy ho voatery ho fikaonandoham-pirenena aza. Zava6dehibe amin’ny fitondrana ny fahaizana mihaino ny feom-bahoaka

Jesy Rabelaolao

Lire aussi