Publié le 04 novembre 2022
Hoy ity mpampianatra tamin’i Zefa :
– Efa nilaza tamin’ise aho, ry Zefa, fa voasazy ise. Voasazy ise, ary nasaiko nanoratra IN-JATO ny hoe : “TSY MHAY MANISA AHO”. Gaga, anefa, aho fa toa DIMAMPOLO monja ny soratra vitan’ise dia nijanona ise ! … Inona no antony ?
– Ka tsy mahay manisa mihoatry ny DIMAMPOLO, anie, aho Ramose e !