La Gazette de la grande ile

4MI eto Andrenivohitra : Nataon’ny ben’ny tanàna sakafom-boay eny Tsimbazaza

Publié le 07 novembre 2022

Mitombo isan’andro ny isan’ireo tsy manan-kialofana sy 4MI eto Andrenivohitra, ankehitriny. Toerana iray tena ahitàna taratra ny eny amin’ny lalana manomboka eo Anosy  mandalo eny Anosibe ka hatreny Anosizato. Ny 31 oktobra lasa teo no namoaka lahatsoratra izahay tato amin’ny La Gazette de la Grande Ile izay nilaza fa jeren’ireo kaominina fotsiny ireo 4Mi eny an-toerana izay tena mandoto tanàna. Eny afovoan-dalana mantsy izy ireo no manoro-ponenana ary eny ihany no mangery sy mamany. Ny zava-nisy, rehefa navoaka io lahatsoratra io dia niroso tamin’ny fanesorana ny ampahany amin’ireo 4MI eny an-toerana ny kaominina. Tsy fantatra moa hoe nalefan’ny ben’ny tanàna aiza ireo tsy manan-kialofana ireo fa araky ny filazan’ny olona sasany dia nomena ireo voay tsy ampy sakafo eny amin’ny valan-javamboary Tsimbazaza angamba.

Ramanana

Lire aussi