La Gazette de la grande ile

Zotra 138 eto Andrenivohitra : Tsabahan’ny kaominina ny raharaha anatiny

Publié le 08 novembre 2022

Hitrangan’ny disadisa anatiny amin’izao fotoana ny kaoperativa FIMPIMI na ny zotra 138 izay mampitohy an’i Tsaralalana sy Anosizato Atsinanana. Maro amin’ireo mpikambana ao anatin’ity Kaoperativa ity no tsy faly amin’ny fihetsiky ny filoha teo aloha antsoina hoe Rakotondramaka izay mbola misisika ny ho filoha foana hatramin’izao ary mihezaka manao amboletra. Efa niakatra tribonaly mihintsy moa ny raharaha satria nifampitory ny andaniny sy ny ankilany. Rehefa naverina ny fifidianana tamin’ny faran’ny volana jiolay lasa teo, dia lany ho filohan’ny Kaoperativa ramatoa Randrianjafinirina Eulalie ary izy no hankatoavan’ny ankamaroan’ireo mpikambana. Ny zava-misy anefa, ankehitriny, dia mitsabaka amin’io raharaha anatiny ny zotra 138 io ny talen’ny fitaterana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny kaomisera Rafenoarison Bemana Vigor. Fantatra fa tsy mankasitraka ny filoha vaovao Randrianjafinirina Eulalie ity tompon’andraikitra ambony ao amin’ny kaominina ity ka mitady ny fomba rehetra mba hamerenana ny fifidianana, ary ny tanjony dia tsy inona fa ny hametraka an-dRakotondramanana eo amin’ny toeran’ny filohan’ny kaoperativa. Trangan-javatra izay tsy eken’ireo mpikambana mihintsy satria sady mitsabaka amin’ny raharaha anatin’ny kaoperativa no mitady hanao hamboletra hametraka olona tsy lany tamin’ny fifidianana akory.

F. Tsihiavonana

Lire aussi