La Gazette de la grande ile

Tsy fandriampahalemana : Tsy misy lanjany intsony ny ain’olona

Publié le 10 novembre 2022

Tsy mitsahatra mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika, ankehitriny. Tsy misy izay tsy mitaraina amin’izany ny Malagasy, vao omaly ohatra dia ny mpanakanto Nina’s izay tsy mbola naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena hatramin’izay mihintsy no nanao antso avo mivantana amin’ny filoham-pirenena mba hijery akaiky ity resaka tsy fandriampahalemana ity izay efa tena mampiteny ny moana. Ny zavatra hita sy tsikaritra, tato ho ato, dia tsy misy lanjany intsony mihintsy ny ain’olombelona eto Madagasikara fa izay tratran’ireo jiolahy dia maty avokoa. Tao anatin’ny herinandro monja fotsiny dia efa mahery ny folo ny olona tsy manan-tsiny maty tao anatina fanafihan-jiolahy. Tamin’ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy teo ohatra, olona telo mianaka no maty novonoin’ny dahalo tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny kaominina Ambohimitombo distrikan’Ambositra. Teto Andrenivohitra, raim-pianakaviana iray mpanao Cash point no maty voatsindron’antso teny Avara-tetezana Ampitatafika, ary renim-pianakaviana iray kosa no namoy ny ainy rehefa novonoin’ny jiolahy teny 67ha, tamin’io andro io ihany. Tsy misy andro iray ka tsy ahenoina vonoan’olona eto amintsika.

Ramanana

Lire aussi