La Gazette de la grande ile

Mponin’Antananarivo : Misotro ranon-tay sy pipy

Publié le 10 novembre 2022

Mivarina ao amin’ny ranon’i Mandroseza avokoa ny ranon-tay sy pipy midina avy any Ambohipo sy Ambanidia ary Andohan’i Mandroseza sy Ambatoroka. Manampy azy ireo ny loto vokatrin’ny fanariam-pako amin’ireo toerana ireo. Ao amin’ny dobon’i Mandroseza  ity no rano sotroin’Antananarivo sy Analamanga manontolo. Tena rano tay sy ranon’amany no sotroin’ny mponina.

Ny tena voa mafy amin’izany dia ireo mpantsaka rano eny amin’ny paompy itambaram-be hoan’ny fokonolona izay andoavana vola isakin’ny bidon. Tsy manana safidy izy ireny fa tsy maintsy misotro ny ranon-tay sy amany avy eny Ambohipo sy ny manodidina azy, izay mivarina ao dobon’i Mandroseza.  Ny fatin’alika izay maty eo amin’ny fanariana fako eo Andohan’i Mandroseza eo Antsapanana ambany dia midina ao amin’ny dobo miantoka ny rano sotroina eto Antananarivo ity. Ekena fa manana fitaovana fanadiovana rano maloto ny JIRAMA  izay orinasa mpamatsy rano eto Andrenivohitra ity saingy tsy azo antoka izany fahadiovana izany.

Nisy ny fanaovana analizy ny rano omen’ny Jirama ity tao amin’ny “institut Pasteur” izay efa navoakan’ny gazety teto  fa ahitana maloto toa ny tay izany. Tsy izany ihany fa maro ny loto mivantana mivoaka amin’ny paompy avy amin’ny rano avy ao Mandroseza ity na dia vita sivana avy amin’ny milina aza. Tsy vitan’ny kaominina Antananarivo renivohitra izay tarihin’ingahy ben’ny Tanana  Naina Andriatsitohaina ny fanadiovana ny lakan-drano fivoahan’ny rano maloto. Tsy azo antoka mihitsy ny fahadiovana vokatrin’ny loto aterakin’ny tay sy ny amany na pipy noho izany.

Tompon’andraikitra amin’izao fampihinanana rano maloto ny mponina eto Antananarivo sy manodidina azy izao ny ben’ny tanana eto Antananarivo sy ny JIRAMA.  Tsy ho hita eto andrenivohitra mihitsy izany “rano fisotro madio” izany izay lazaina  ary atao litania ao amin’ny ODD na ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra izay tarigetran’ny firenena mikambana. Ny tena voa mafy amin’izao raharaha izao dia ireo vahoaka tsy mahavidy rano eny amin’ny mangazay. Tsy maintsy misotro rano tay sy amany na pipy.

Izany no Antananarivo ankehitriny.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi