La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 10 novembre 2022

Masoivohon’i Frantsa

 Nihaona tamin’ny filohan’ny Ceni

 Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo, teny amin’ny toeram-piasany eny Alarobia omaly tolakandro, ny masoivohom-panjakana frantsay eto Madagasikara, Arnaud Guillois. Fitsidihana ara-pomba fifanajana nanehoan’ity diplaomaty frantsay ity ny hetahetany hahafantatra ny tontolon’ny raharaha sahanin’ny Ceni, na ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy na ny ho fiatrehana ny fifidianana filohampirenena amin’ny taona ho avy.

Fa ny talata 8 novambra kosa dia ny mpitarika ireo foibe sendikaly eto amintsika no nifanakalo hevitra tamin’ny birao maharitry ny Ceni, ka ny anjara-birikin’ny sendika ho amin’ny fanentanana ny mpiasa hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy no nivoitra tamin’izany.

Oniversiten’Antsiranana

Mitokona noho ny saram-pisoratana midangana ny mpianatra

Mizaka ny tsy eran’ny aina ireo mpianatra mitokona ao amin’ny sampam-pianarana momba ny fitsaboana sy ny lalàna ao amin’ i Oniversiten’Antsiranana, amin’ny afitsoky ny tompon’andraikitra  momba ny saram-pisoratana anarana izay midangana be sy ny vatsim-pianarana efabolana tsy voaloa. Araka ny nambaran’ireo mpianatra any an-toerana , dia mahatratra hatramin’ny 460.000 ariary izany sara izany raha 100 000 ar ny  an’ny Oniversiten’Antananarivo, ho an’ny taona fahafito sy fahavalo. Ny sampam-pianarana momba  ny lalàna ao amin’ny taona fahefatra sy ny fahadimy indray dia 600 000 ariary ny any Antsiranana raha 100 000 ariary ny eto Antananarivo.

Tsizarizary koa ny Oniverisiten’Antsiranana raha ny lafiny mahaolona. Tsy anisan’ny Oniversite manara-penitra satria tsy hary fomba ny trano fonenan’ireo mpianatra any.  Na ny toeram-pivoahana aza dia tsy misy  ranon’ny Jirama azo ampiasaina any. Mbola mitohy ny fitokonana vokatry ny fitakiana ataon’izy ireo, ny minisitera mpiahy hatreto tsy nahitana valiny mahafa-po fa nihanona tamin’ny fanotaniana fotsiny.

Mpanondrana granita

Faharoa maneran-tany i Madagasikara

800 tapitrisa taonina isa-taona ny vato granita eto Madagasikara miondrana any ivelany. Laharana faharoa maneran-tany no misy azy raha ny firenena sinoa no eo amin’ny laharana voalohany, manaraka azy ny ao India, i Amerika ary i Alema.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi