Publié le 16 novembre 2022
Hoy ny ohabolan’ny Ntalo hoe “ mandefa rivotra maimbo eny an-tsena rehefa te halaza” dia ataovy mipoaka mafy be. Dia izany tokoa no zavatra mitranga amin’izao fotoana izao. Rehefa mihena ny kaontin’ny mpanao politika dia mitady zavatra hafa hampalaza azy hanodinana ny saim-bahoaka. Misy ny manao mody marary mafy dia malahelo ny vahoaka dia miverina ny fitiavan’ny olona azy. Misy indray ny mody idiran-doza mba hitserana mba hiverenan’ny saim-bahoaka hitodika any aminy indray. Maro ny tetika azo atao amin’izany mba hisarihana ny saim-bahoaka noho ny tsy fahombiazana .
Dia izany no misy eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Manana olana be dia be amin’ny fanatanterahana ny vina nokasainy ingahy Naina Andriatsitohaina izay ben’ny tanàna eto Analamanga. Mivangongo ny fako izay nilokalokany fa tsy hisy intsony, tsy misotro rano fisotro madio intsony ny vahoaka. Mitombo ny isan’ny olona mahantra…
Raha te-halaza dia mandefa rivotra maimbo eny an-tsena toa ireny. Izany no andraisan’ny olona ilay fanafihana azy tamin’ny alahady teo iny. Be dia be ny resaka mandeha amin’izy iny ka dia ho hitan-tsika eo ny tohiny. Maro no tsy mino iny raharaha iny fa resaka sinema no fahalalan’ny maro azy.
Jesy Rabelaolao