La Gazette de la grande ile

Fikambanam-paritra : Mpikarama amin’ny antoko politika

Publié le 18 novembre 2022

Tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny raharaha eto amin’ity firenena ity. Mikorontana ambony ambany satria manao ny tsy kotony hataony avokoa ny sehatra isan-karazany. Ny mpivavaka lasa mpanao politika ka nivadika mpandainga sy mpisoloky ary mpamono olona. Ny mpiasam-panjakana lasa mpanodikodina volam-bahoaka sy mpanao risoriso. Ny mpitondra firenena lasa mpanodikodina fananam-bahoaka sy mpanao kolikoly izay tsy izy. Izany no endrikin’ny fiaraha monina Malagasy amin’izao fotoana izao.

Mahakasika ny fitondrana ny firenerna dia nivaona tanteraka amin’ny tokony ho izy ny zavatra iainana. Ny fikambanana avy any amin’ny faritra amin’izao fotoana izao no lasa antoko politika. Jereo ange ireto fikambanana vitsivitsy manaraka ireto. Ny FIZATO (Toamasina), ny FIZAFATO (Toliary), ny MAFAMI (Antananarivo), ny FIZAFAMI (Fianarantsoa), ny  FIZAMAMI (Mahajanga), ny FITEFA (Antsiranana).

Mihetsiketsika avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao satria hanomboka ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Atao avokoa izao fihetsiketsehana isan-karazany izao. Manova ny birao mpitantana azy ireny. Matetika dia olona mpanao politika avokoa no misisika amin’izany. Mpomba na mpanohitra fanjakana arakaraka ny firehan’ilay mpilatsaka. Matetika nefa dia mpomba ny fanjakana mitondra izy ireny. Olona ao anatin’ny antokon’ny mpitondra aza.

Mivaona tanteraka amin’ny lalàna nanorenana azy nefa izany. ny mpitondra fanjakana koa osa dia osa amin’ireo mpikambana ao aminy. Raha toa ka ny IRD (isika rehetra miaraka amin’i Rajoelina) izay vondron’ny antoko politika sy fikambanana maromaro no ao anatin’izany dia hita fa tsy ampy velively amin’ny handaniana ny kandida izay hatolotr’izy ireo amin’ny fifidianana ny herin’izany satria poakaty. Noho izany tsy maintsy mitady fikambanana hafa hanampy azy izy ireo. Matetika dia adilahy mihitsy no mitranga amin’ny fitarihana ireny fikambanana ireny sy ny fiadiana ny ho lohany.  Ny filohany mazana dia mahazo toerana ao anatin’izay fanjakana mijoro. Iadiana mafy ny ho lasa minisitra, ho senatera  ho voatondro, ho lehiben’ny faritra ary hitazona asa ambony ao amin’ny fitondrana izay mijoro.

Izany no zavatra misy ankehitriny. Ny mpitondra koa mahatsapa tena fa ho osa ka mitady ireto fikambanana ireto. Manome vola sy omby mazana mba hahazoana mamory ireny fikambanana ireny. Izany no zavamisy ary iainan’ity firenena ity. Tsy misy mandeha amin’izay laoniny fa samy manao izay hihinanany avokoa. Eo anatrehan’izany dia izao iarahana mahita izao ny mahazo ny firenena. Potika satria voaviravira  ny olona tsy tokony hitondra.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi