Publié le 19 novembre 2022
Azo eritreretina ihany ireto OHA…BILANA somary OHABOLANA ireto, ka henoy ange :
…Midi-droa toy ny solomaso fotsy : Vaky, fotsy; tsy vaky fotsy rahateo.
… Solomaso lamaody : ny maso no arovana, nefa ny takolaka sy ny handrina no indray voafina.
…Petak’orona mividy solomaso, ka eo amin’ny hametrahana azy vao sahirana.
…Pataloha fotsy fahavaratra : mivoaka, madio ; miditra, mipentimpentina.
…Milaoka rô matsatso fahavaratra, ka ny rano be any alatrano no nifindra nankeo ambony latabatra.