Publié le 24 novembre 2022
Hoy i Dadatoa Razefa ; “Avia ianareo, rankizy, hampianariko dikanteny Malagasy”
… VOATAVO : Laoka tsy dia azoazon’ny sola, indrindra raha resahina eo amp-pihinanam-bary.
… MANDADY : Mitsiriritra ny fanaon’ny biby manan-tongotra efatra.
… MISAONA : Manao dokam-barotry ny loko mainty, tsy fidiny.
… MANONOFY : Mahay mamerina sarimihetsika tsy mila “caméra” na “projecteur”.
… TSY AN-TANY TSY AM-PARAFARA : Olona mahay tery mitsingevaheva, ka tsy mety mianjera mandra-pahatapitry ny herin’ny majikany.
– Izay indray ary aloha, ny androany rankizy !