La Gazette de la grande ile

Raharaham-pirenena : Mitaky fanovàna toe-tsaina ny FFKM

Publié le 25 novembre 2022

Nanao fanambarana iraisana manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana ireo filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM na ny Fiombonamben’ny Fiangonana Kritsianina eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeany dia antso avo amin’ny vahoaka malagasy rehetra, indrindra fa ny mpitondra Fanjakana no voarakitra ao anatin’ny fanambarana. Ilaina ny fanovàna toe-tsaina eo amin’ny tsirairay raha tena tiana ny hiady amin’ny fahalovana sy ny fahantrana lalim-paka eto amin’ny firenena, ankehitriny, hoy ny FFKM. Toe-tsaina mandàla ny rariny sy ny fahamarinana no ilaina mba afahana manarina ny firenena, ary tokony hatsahatra ny fifampiantsiana amin’ny endriny samihafa, hoy ihany ny fanambarana. Mbola nanamafy ny antso ho amin’ny fampihavanana sy ny fifampiresahana ihany koa ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM.

F. Tsihiavonana

Lire aussi