Publié le 26 novembre 2022
Raha misy angamba ny solombavambahoaka jiolahy indrindra eto Madagasikara dia anisany ny depioten’i Mahabo teo aloha, Raveloson Ludovic izay fantatra amin’ny anarana hoe Leva. Tsiahivina fa tamin’ny volana febroary 2020 no efa voaheloka higadra dimy taona tany Morondava noho ny trafikana hazo sarobidy ity depiote teo aloha ity, fotoana fohy taorian’izay anefa dia nahazo fahafahana vonjimaika izy rehefa nividy ireo mpitsara teo anivon’ny fitsarana. Volana vitsy taty aoriana anefa dia voarohirohy tamina raharaha maloto hafa indray i Leva ka tsy hita intsony izay nisy ary namoahana filazàna fikarohana (avis de recherche). Ny alahady 20 novambra lasa teo no voasambotra tao Mahabo indray i Ludovic Raveloson rehefa nokarohina nandritra ny roa taona mahery. Marihana fa ny Service des affaires criminels et spéciales etsy amin’ny Toby Ratsimandrava no nahasambotra azy. Omaly no niakatra fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy i Leva ka avy hatrany dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy. Ankaotra ireo raharaha mahavoarohirohy azy tany aloha moa dia voalaza fa mbola voasaringotra ao anatin’ilay raharaha fanolanana sy famonoana zazalahy kely 6 taona tany Morondava, ny 6 novambra lasa teo koa ity depioten’i Mahabo teo aloha ity.
F. Tsihiavonana