La Gazette de la grande ile

Depiote Lanto Rakotomanga : Mitohy amin’ny fiarovana mpisoloky ny asany

Publié le 26 novembre 2022

Miseho lany hatrany ny fiarahana mitsikombakomba sy fiarovana olon-dratsy ataon’ny olona sasany ao anatin’ny fitondrana. Naka vola tamin’olona, ohatra, i Herinjaka Rakotoarivelo, ary tsy namerina izany vola izany. Voatery nitory azy teny amin’ny polisy ny tompom-bola ary nampanatsoin’ny polisy izy satria miendrika asa fisolokiana sy fivadiham-pitokisana izay heloka izany. Natao fanadihadiana tao amin’ny kaomisarian’ny boriborin-tanin’Antananarivo faharoa i Herinjaka, ary nanomboka niditra an-tsehatra nanelanelana ny depiote Lanto Rakotomanga, izay nitaky ny hamotsoran’ny polisy an’i Herinjaka, fa izy Rakotomanga Lanto no hoe « hiantoka azy ». Nanda ny polisy mpanao famotorana, ary nilaza koa ity depiote voafidy tetsy Antananarivo faharoa fa hiantoka mpisolovava hiaro an’i Herinjaka. Izay fiantohana mpisolovava izay aloha dia zony.

Ny fanadihadiana dia nahenoana fa efa malaza amin’io asa fisolokiana sy fivadiham-pitokisana io i Herinjaka.

Asa na niakatra tosi-dra noho ny fiazonana azy tao ity voarohirohy fa nivoa-dra ny orony ka ny polisy indray no notetehiny hampangaina ho nidaroka azy. Dia nentina notsaboina eny amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona izy. Dia mbola mitady ny fomba rehetra hahazoana taratasy avy amin’ny hopitaly hamotsorana azy ny depiote Rakotomanga Lanto.

Eo amin’ny raharaham-pitsarana aloha dia avela ny fitsarana no handinika fa amin’ny lafiny politika dia midika izao fihetsiky ny depiotre Rakotomanga Lanto izao fa ambonin’ny lalàna izy ka tsy maintsy miondrina sy milefitra eo anoloany ny manam-pahefana any anivon’ny fitsarana sy ny polisy mpanao famotorana. Midika koa ho tsy fitokisana ny fitsarana izao fihetsiky ny olom-boafidy IRD izao, ka izy no misolo toerana ny fitsarana dia izay tiany no didy mivoaka sy ampiharina.

La Gazette

Lire aussi