Publié le 28 novembre 2022
– Fa inona, ho’aho, no antony tsy mbola hanomezanao valin-teny ahy ihany e?… Izaho, ange, tia anao, ary vonona ny hampakatra anao ho vadiko e! hoy ity zazalahy.
– Mbola miandry izay hevitry ny ray aman-dreniko aho e!
-Hevitry ny ray aman-dreninao ahoana?… Ary andrasana ahoana?
– Ny heviny ihany sisa no andrasako, fa raha izaho dia efa tsy tia anao hatramin’ny voalohany !
– ???