La Gazette de la grande ile

AKOM-BAOVAO SAMIHAFA

Publié le 28 novembre 2022

Haban’ny trondro maina

200%-n’ny fiakarany

Teo aloha dia 60 ariary isaky ny kilao amin’ny trondro maina ny haba nalaina tamin’ny mpandraharaha malagasy ao Mahajanga. Tafakatra 200 ariary isaky ny kilao izany ny haba takiana amin’izao fotoana.  Hamono antoka ny mpandraharaha malagasy ao Mahajanga ny fampiakarana io haba azo amin’ny trondro maina io. Miantso ny minisiteran’ny Jono amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ireo mpandraharaha any an-toerana, tsy rariny izao,  hoy izy ireo.

Mpivarotra amoron-dalana tao Manakara

Nanelingelina ny lalan’ny filoha Mamimbahoaka

Ny fisian’ny mpivarotra amoron-dalana dia manamarika ny mbola fahantrana eo amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana iray, isan’izany i Madagasikara. Nailikiliky ny tompon’andraikitra manampahefana tao Manakara ny mpivarotra amoron-dalana amin’ny asa fihariany ao Manakara mandritra ny roa andro, dia ny 27 sy 28 novambra satria handalo any ny filoha Mamimbahoaka, izay nitokana ireo fotodrafitrasa simba. Miandry ny hisokafan’ny zotran-dalamby FCE koa ny mponina any an-toerana hatramin’izao.

Lalana famoaham-bokatra

Atao vonjy tavanandro

Vola ariana fotsiny ny asa vonjy tavanandro ho an’ireo teboka mainty (points noirs) asiam-panamboarana anaty fotoam-pahavaratra izao , hoy ny tantsaha mpamokatra.  Ny lalana famoaham-bokatra any amin’ny RNS 5, mampitohy  an’i Toamasina amin’i Foulpointe no voasokajy amin’izany, koa mandritra ny 12 volana ny asa  fanarenana io lalana famoaham-bokatra io. Mikaikaika ny tantsaha mpamokatra amin’ny maha-avokavoky ny famoaham-bokatra ny lalana rehetra eto Madagasikara, na an-tanan-dehibe na any amin’ny tany lavitra andriana. Hisy fiantraikany lehibe amin’ny lafiny fihariana andavanandro, dia ny fivezivezen’ny vokatra izany.

Taratasy momba ny fiarakodia

Hisokatra ny ivon-toerana ao Antsirabe

Manamora ny fotoana lany  hatramin’izay ny hisokafan’ny ivon-toerana mpikirakira taratasy (Centre d’Immatriculation) momba ny fiarakodia any Antsirabe. Ny herinandro lasa dia nambaran’ ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana tany Antsirabe ny  hitokanana tsy ho ela io ivon-toerana manara-penitra io. Efa vory ao ny fampitaovana rehetra, ka tsy hisahirana intsony hiakatra etsy Ambohidahy Antananarivo rehefa  hikararaka taratasy momba ny fiarakodia.

Nangonin’i Soarak

Lire aussi