La Gazette de la grande ile

Faritra Itasy : Efa tapa-bolana izao no miaina ao anaty aizina

Publié le 28 novembre 2022

Efa tsy rariny intsony ny delestazy misy any amin’iny faritra Itasy iny. Efa ho tapa-bolana izao no miaina ao anaty aizina tanteraka ny mponina amin’ny ankamaroan’ireo kaominina ao anatin’ity faritra ity, manomboka eny Ambatomiravavy vao afaka ny kaominina Alakamisy Fenoarivo ka hatrany amin’ny distrikan’i Miarinarivo. Ho an’ny tanàna sasany toa an’Imerintsiatosika sy Arivonimamo dia zara raha misy ny herinaratra satria ora iray na roa isan’andro ihany no mba misy jiro. Kaominina maro kosa toy ny ao Ampahimanga no efa herinandro izao no tsy misy jiro mihintsy na iray minitra ao anatin’iray andro aza. Noho izany indrindra dia nitokona nandoro kodiarana teny amin’ny arabe ny mponina tao Miarinarivo, ny sabotsy lasa teo. Marihana fa noho ny fahasimban’ny sous-station-n’ny Jirama izay mamatsy an’iny faritra iny no anton’izao raha ny fanazavana azo. Efa andro maromaro lasa izay no nilaza ny hanafaingana ny fanamboarana an’io toby simba io ny Jirama kanefa mandrak’ity ny androany tsy mbola tafaverina amin’ny laonina ny famatsiana herinaratra any an-toerana.

F. Tsihiavonana

Lire aussi