La Gazette de la grande ile

Ratsirahonana Norbert Lala : Hamitapitaka mpitondra fanjakana indray

Publié le 28 novembre 2022

Tao anatin’ny taona 2022 ity dia matetika no miverina eo anivon’ny serasera isan-karazany eto Antananarivo ingahy Norbert Lala Ratsirahonana. Nangina izy tao anatin’ny telo taona izay ary efa nataon’ny mpanara-baovao fa hisotro ronono politika amin’izay.

Tamin’ity governemanta Ntsay Christian farany ity dia nahazo toerana minisitra roa ny Avi. Manana olona any amin’ny CENI (vaomiera mahaleontena amin’ny fifidianana) koa izy. Ny any amin’ny HCC moa dia ny filohany mihitsy no azon’ny Avi  izay ny filohany mihitsy Florent Rakotoarisoa antsoina hoe “Flamant Rose”. Manana olona ao amin’ny senatera sy ny depiote koa ny Avi  izay tarihin’ingahy Norbert Lala Ratsirahonana.

Tsy ao amin’ny fitondrana ihany no ahitana ny antoko Avi fa hatrany amin’ny fanoherana ihany koa. Efa mametraka olona maromaro miaraka amin’ny Siteny Randrianasoloniaiko ingahy Ratsirahonana Lala Norbert. Ny ao ny antoko MMM (Malagasy miara miasa ) izay tarihin’I Hajo Andrianainarivelo izay nilaza fa tsy hiaraka amin’ny fitondrana Rajoelina intsony dia feno olon’ny AVI an’ingahy Norbert Lala Ratsirahonana avokoa.

Tamin’ity volana novambra 2022 ity dia nanao fanambarana lehibe ingahy Norbert Lala Ratsirahonana fa  hiala amin’ny fitantanana ny antoko AVI. Hampita ny faneva amin’ireo mpikambana ao aminy izy araka ny fanambarany. Tsy olona iray nefa no notondroiny tamin’izany fa nataony fitantanana itambarana indray ka Sylvain Rabetsaroana, Dr  Ndahimananjary Johanita , ary Jean Jacques Rabenirina. Hoan’ny mpikambana ao amin’ny Avi fa hafetsifetsena fotsiny iny raharaha iny fa misy tetika maizina ketrehin’ingahy Ratsirahonana indray ao.

Mandeha dia mandeha tokoa ny resaka fa mikendry ny filohan’ny “senat” indray atsy ho atsy ingahy Norbert Lala Ratsirahonana.  Ny azo antoka dia olona tena fetsy sy tsy mena mivadika ary mpamitaka gaigilahy ingahy Norbert Ratsirahonana ka dia ho hitan-tsika eo ny tohin’ity raharaha ity.

Ny korontana politika sy ny krizy teto Madagasikara nanomboka ny taona 1991 rehetra dia nahitana an’ingahy Ratsirahonana Norbert lala avokoa. Fanonganam-panjakana tamin’izany dia nisy efatra ka ny voalohany dia ny taona 1991, ny faharoa ny taona 1996, ny fahatelo dia ny taona 2001, ary ny fahefatra farany dia ny taona 2009. Mahamahina ihany ry fanjakana noho izany.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi