La Gazette de la grande ile

Minisitra Mama sôsy : Tsy menatra ny mandainga

Publié le 28 novembre 2022

Mihevitra ny vahoaka ho bado ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ka hamafazana lainga mampiomehy fa tsy mba tsara lahatra akory. Ny sabotsy tolakandro teo no nirodana ho azy tampoka ny tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina vao avy namboarina tao Morondava, faritra Menabe. Vetivety dia niparitaka tany anaty tambazotran-tserasera sôsialy ny vaovao ka ny sabotsy hariva teo ihany no namoaka fampitam-baovao momba izany ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Voalaza ao anatin’ity fampitam-baovao ity fa antony nahatonga ny firodanan’ny trano ny fisian’ny orambe sy ny rivotra nifofofofo tany an-toerana, tamin’io fotoana io. Lainga be anefa izany satria araka ny fanazavana nomen’ny mponina tany an-toerana dia tsy nisy orambe sy rivo-mahery izany akory tany tao Morondava, ny andron’ny sabotsy iray manontolo. Na ny sarin’ilay trano nirodana aza dia manaporofo izany satria maina tanteraka ny toerana manodidina azy.

Mazava ho azy fa tsy menatra ny mandainga mihintsy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina tamin’ity fampitam-baovao navoaka ny sabotsy teo ity. Marihana fa ny talen’ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny ministera no nanao sonia ny filazàna, ny azo antoka anefa dia tsy maintsy nahazo alàlana avy amin’ny minisitra io vao nivoaka, ary fantatr’i Mama sôsy tsara ny fanazavana voalaza ao. Mety izy tenany mihintsy aza no nanome baiko ny hilazàna fa ny orambe nikija sy rivotra nifofofofo no nahatonga ny firodanan’ilay trano.

Rehefa hampiesona vahoaka ihany dia tsy mba lainga tsara lahatra no ataon’i Lalatiana Rakotondrazafy sy ny mpiara-miasa aminy fa lainga mampiomehy izay mametraka ny Malagasy ho babakoto mihintsy. Raha tena nisy orambe sy rivo-mahery tokoa tao Morondava, tamin’io fotoana io, maninona no ilay tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina ihany no nirodana kanefa trano manara-penitra ary vao avy namboarina. Na trano hazo iray aza mantsy dia tsy nisy nirodana tao Morondava tamin’ny sabotsy teo. Marihana fa efa betsaka ihany izay trano manara-penitra tsy lavorary namboarin’ny Fanjakana teto amintsika izay, ohatra amin’izany ny EPP manara-penitra any Fenoarivo Atsinanana.

Ramanana

Lire aussi