La Gazette de la grande ile

Oniversite isa-paritra : Enga anie mba tsy ho seho ivelany

Publié le 28 novembre 2022

Miezaka ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana manangana oniversitem-panjakana any amin’ny faritra. Tsy nianona amin’ny oniversite isaky ny renivohi-paritany toy ny tamin’ny taona 80 intsony.

Tsara ilay tarigetra, ary tena mendrika satria zary zanak’ikala hafa, tany lavitr’Andriana, ireo any amin’ny faritra sy any ambanivohitra, indrindra fa tsy mba tafakatra amin’ny renivohi-paritany misy oniversite. Isan’ny endriky ny fitsinjaram-pahefana sy ny oniversite manaikaiky vahoaka izany.

Vao tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ohatra, no nametraka ny vato fototra ho amin’izany oniversitem-paritra izany tany Manakara ho an’i Fitovinany ny filohampirenena Rajoelina.

Ny tsy maintsy tsindriana sy tsipihina dia ny hahatomombana ny tontolon’ny fampianarana ambony amin’ireny oniversitem-paritra ireny. Enga anie tsy ho seho ivelany toy ny « CUR » (Centre universitaire régional) tany amin’ny taona 80 tany izy ireny ka ny trano fianarana sy ny toeram-ponenan’ny mpianatra no mijoalajoala na vita tsara fa ny vontoatim-pampianarana tsy misy firy fa na mpampianatra aza ifandroritana.

Manamarika izao resaka izao izahay satria raha ny zava-misy amin’ireo oniversitem-panjakana efa nijoro isaky ny renivohi-paritany isika dia saika itambesaran’olana mandavan-taona (fa tsy isa-taona). Manomboka amin’ny mpampianatra, ny mpandraharaha, ny fitaovana enti-manatanteraka ny fianarana, ny boky sy ny tontolom-pikarohana amin’ny maha-fampianarana ambony ny fampianarana ambony, sy ny sisa tsy ho voatanisa… Ny resa-bola enti-mampihodina ilay oniversite moa dia tena olana be mandavan-taona….

Aiza ho aiza ny politikam-pirenena momba ny fampianarana ambony sy ny fikarohana fa ny tsy fananantsika an’izay dia haha-poaka aty ny fampanjariana ny fampianarana sy fikarohana amin’itony oniversite hajoro isa-paritra itony.

Amin’izao fotoana, ohatra, dia efa miroborobo ny fampiasana ny milina solosaina  , raha ny fikarohana sy ny fifandraisana iraisampirenena no asian-teny, ary ahavitana miantoka ny ampaham-pampianarana amin’ny oniversite mihitsy izy ireny. Na ny tambajotram-pifandraisana (connexion) aza anefa dia tsy misy, ary na ny milina solosaina ho amin’izany aza, dia zary nofinofy…Eny na ho an’ny oniversite toa ny eto Antananarivo, Renivohi-pirenena aza.

Mitaky ezaka goavana, noho izany, ny fampanjariana ny fampianarana ambony hatsangana isa-paritra eto fa tsy vitan’ny fihetsiketsehana sy ny seho ivelany fotsiny.

Tsimba

Lire aussi