Publié le 29 novembre 2022
Indray Alahady ; avy be ny orana. Indro tovovavy tsara tarehy iray, miampifimpify erikatra an-tsisin-dalana erikatra mialohan’ny hiampitany. Feno lavadavaka, manko y arabe. Akanjo lamaody be vao avy nozairina koa no nanaovany, ka mitandrina fatratra ny anao vavy. Teo indrindra, nandalo ity bisikilety iray. Nirimorimo mafy. Voapitiky ny rano ny fitafian-drazazavavy. Nijanona niala tsiny ilay rangahy mpitaingina bisikilety.
– Azafady re, mademoazy e,… Soa ihany aza, fa bisikilety no nentiko…
– Mbola izany ihany, ve no vavanao, nefa jereo ity ankankoko nanaovanao azy ?… Fa inona no anao no mijery e ?
-… Mbola bisikilety, ary, no nentiko, fa raha ilay 4×4 fitondrako isanandro…, sary vongana ianao
-???