Publié le 30 novembre 2022
– Ka iny misy Taxi, ry neny a !
– Fa maninona no tsy nosakanana e ?… Ity misy hafa !… Ohatrinona, ramose no manketsy Fiadanana ?
– Fiadanana ?… Tena mbola tsy nahita izany Fiadanana izany mihitsy aho, Madama an!
– Oay !… Vao haingana angaha ianao no nanao Taxi no tsy mahita izany Fiadanana izany ?
– Efa aman-taona maro kah !… Toa hoatry ny Fahoriana foana no hitako hatramin’izao, fa raha izany Fiadanana izany, dia ny alika henjehana, hoy ny fitenenana, fa ny saka mahery mandeha, koa mila tsiny aho, Madama ô !
-???