La Gazette de la grande ile

Halatra bevata- Jirama : Karohana i Vonjy Andriamanga

Publié le 30 novembre 2022

Mbola voaporofo indray fa maro amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-dia amin’ny filoha am-perinasa no tsy miraharaha an’izany fampandrosoana ny firenena izany fa ny hangoron-karena sy hanao bizina fotsiny no tena mahamay azy ireo. Nafotaka ny fakàna am-bavany teny amin’ny biraon’ny PAC (Pôle Anti-corruption), ny alatsinainy lasa teo. Tale miisa 34 eo anivon’ny orinasa Jirama mantsy no nasesy natao famotorana tao amin’ity fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly ity ka tsy vita izany raha tsy ny talata, tamin’ny 2 ora maraina.

Tale miisa telo no nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora taorian’izay, dia ny tale misahana ny maha olona (directeur des ressources humaine), ny médecin chef-n’ny ivon-toeran’ny Jirama ary ny tale ara-bola. Nomena fahafahana vonjimaika kosa ireo ambiny miisa 31 fa arahin’ny fitsarana maso akaiky (sous contrôle judiciaire). Tsy tonga namaly ny fampiantsoana azy kosa ny tale jeneralin’ny Jirama teo aloha, Vonjy Andriamanga, izay tafiditra ao anatin’ireo voarohirohy ho nanodikodim-bola teo anivon’ity orinasam-panjakana ity tahaka ireo tale miisa 34 nalaina am-bavany. Noho izany indrindra dia namoahan’ny PAC filazàna fikarohana i Vonjy Andriamanga, ity farany anefa izay efa nitsoaka any ampitandranomasina any, migalabona tsara miaraka amin’ireo vola amina miliara maro norobainy.

Ankaotra ity tale jeneralin’ny Jirama teo aloha ity, dia tsy tonga namaly ny fampiantsoana azy ireo teny amin’ny biraon’ny PAC eny 67ha ary namoahana filazàna fikarohana ihany koa ny tale jeneraly mpisolo-toerana amin’izao fotoana, Rivo Radanielina, sy ny tale kabinetra Onja Rasamimanana izay tsy iza fa sakaizan’i Vonjy Andriamanga ihany. Ny loharanom-baovao mari-pototra koa anefa no nahafantarana fa efa mipetraka any ivelany any io tale kabinetra io, ankehtriny. Tsara tsipihana fa raharaha fanodikodinam-bola teo anivon’ny Jirama teo anelanelan’ny taona 2018 ka hatramin’ny 2021 izao noraisin’ny PAC an-tanana izao ka nakàna am-bavany ireo tale am-polony maro ireo.

Marihana fa efa tamin’ny taon-dasa no namoaka lahatsoratra matetika miahakasika ny fanodikodinam-bola nataon’i Vonjy Andriamanga tao amin’ny orinasa Jirama ny la Gazette de la Grande île, saingy tsy nisy niraharaha na ny PAC na ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Efa tafaporitsaka any ivelany izy vao tonga eo anivon’ny Pôle Anti-corruption ny raharaha ka sarotra ny inoana fa ho voasambotra ary hanefa ny saziny i Vonjy Andriamanga izay tsiahivina ihany fa efa minisitry ny angovo tao anatin’ny governemanta voalohan’ity fitondrana mijoro ankehitriny ity.

F. Tsihiavonana

Lire aussi