La Gazette de la grande ile

Ady amin’ny tsy maty manota : Mila maka lesona amin’i Kaomoro i Madagasikara

Publié le 30 novembre 2022

Ny Nosy kaomoro izay nambara fa hampindramina vola indray ity no lasa fakan-tahaka ho antsika Malagasy. Ny alatsinainy teo no nivoaka ny didy tao amin’ny tribonalin’i Moroni renivohitr’i Kaomoro. Voaheloka higadra mandrapahafaty ny filoha kaomorianina teo aloha, Ahmed Abdallah Sambi, ka vesatra niampangana azy ny famadihana tanindrazana na ny « haute trahison » noho ireo halatra sy fanodikodinam-bola nataony tamin’ny fotoana naha filohan’i Kaomoro azy, ny taona 2006 ka hatramin’ny 2011. Voaheloka higadra 20 taona an-tranomaizina ihany koa ny filoha lefitra kaomorianina tamin’izany fotoana, Mohamed Ali Soihili izay voapanga ho mpiray tsikombakomba tamin’i Ahmed Abdallah Sambi. Ity farany izay niala tao Koamoro, taona vitsy lasa izay, ary namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena. Izany ny zava-misy ao amin’ity nosy rahavavy ity ka aiza ho aiza amin’izany ny fitsarana eto Madagasikara, ny filoham-pirenena anefa tamin’ny fotoana nanaovany fihanianana teny Mahamasina dia nilaza fa tsy azo ekena intsony ny fisian’ny tsy maty manota eto amin’ny firenena.

Ramanana

Lire aussi