La Gazette de la grande ile

Mpandraharaha Malagasy : Tsy nahaloa hetra nanomboka ny 2021

Publié le 30 novembre 2022

Nanao atrikasa tao amin’ny hotel Carlton ny alakamisy faha 24 novambra 2022 ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana izay notarihin’ny minisitra Edgard Razafindravaha. Mahakasika ny DPP (dialogue public privé sur l’industrialisation) na  ny fifampiresahana mikasika ny indostria nataon’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Mpandraharaha maro koa no nanatrika izany.

Nivoatra tamin’io fihaonana io fa tsy nahaloa hetra ny mpandraharaha maro malagasy  nanomboka ny taona 2021 ka hatramin’izao. Voalazan’ingahy Edgard Razafindravaha tamin’izany fihaonana izany fa misedra olana ny fandraharahana malagasy rehetra amin’izao fotoana izao fa tsy mahaloa hetra avokoa nohon’ny raharaha covid-19 iny.  Noho izany dia betsaka no mpandraharaha no mangataka amin’ny fanjakana ny hanafoanana ny hetra haloan’izy ireo. Tsy mety mandoa hetra koa izy ireo fa miandry fanampiana avy amin’ny fanjakana. Voatery tsy maintsy mifampiresaka ny fanjakana sy ny tsy miankina noho izany. Tsy mbola misy vaha olana aloha tramin’izao.

Voakasika amin’ity raharaha ity avokoa na ny FIVMPAMA (fivondronan’ny mpandraharaha malagasy), toa izany koa ny GEM (Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy) ary ny SIM ( Sendikan’ny indostria malagasy). Izy rehetra ireo no isan’ny mpandraharaha izay mpampiditra vola be indrindra eto amin’ny firenena. Noho izany dia misedra olana lehibe ny toe-karena eto amin’ny firenena ka voamaika manamafy ny fahasahiranana izay mitarika fahantrana lehibe  izao.

Tsy ny orinasa sy ny fandraharahana voalaza eo ambony ireo nefa no mitaraina mafy fa isan’ny voadona koa ny sehatra maro. Isan’izany ireo ao amin’ny sehatra salatsalany sy madinika ary ny varotra sy ny  fambolena  koa.

Hatramin’ireo olona tsotra dia mizaka ny tsy eran’ny aina nohon’ny fandoavan-ketra ity ankehitriny. Terena sy ampiakarina hatrany amin’ny 1000 % ny hetra trano sy ny hetra tany hoan’ny eto Antananarivo renivohitra. Miady mafy amin’ny tsy handoavana hetra ny mpandraharaha. Midika izany rehetra izany fa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Ny hetra no loharanom-bola mampihodina ny firenena iray, nefa izao itrangan’ny krizy izao izany ankehitriny.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi