Publié le 01 décembre 2022
– Oadray ! … Bertine, marina !… Tena ela izany an!
– Fa iza, moa, raha tsy mahadiso?
– I Zefa e ! … Mpianatra iray kilasy, anie, isika tao Ankatso e!… Tadidinao ilay nanao safotra tao am-pianarana iny, indray andro, dia izaho no nibata anao, kanjo navesatra loatra ianao, ka niara-nidoboka isika dia voatsindriko ambany ianao, ary nataon’ny mpianatra fihomehezana?
– Tena marina izany !
– Eny, ho’aho!… Ka firy izao ny ankizy, Rabery?
– Na dia ny fofony, aza, tsy misy, ka ankizy inona, ry Zefa!
– Tena marina, ve?… Fa firy taona, moa, izao i Bery ity?
– 28 taona!
– Sao ho antitra vao hitaiza, Rabery a!… Ny lehilahy, anie, ami-zao efa ho lany ringana ka sao sendra lehilahy efa mohaka vao mitomany tena. Lehilahy iray ao anatin’ny arivo sisa no azo antoka!
– Ka iza, hono, io lehilahy iray sisa azo antoka io, Razefa?
– Izaho!
– ???