La Gazette de la grande ile

Fampianarana : Veloma ny fanadinana CEPE

Publié le 01 décembre 2022

Lany omaly faha 30 novambra 2022 ny lalàna momba ny drafitrin’ny fampianarana vaovao ho eto Madagasikara “portant orientation générale du système éducatif à Madagascar”. Depiote 13 amin’ny 151 na 5% fotsiny no nandany izany lalàna izany tao Tsimbazaza. Dia izany no fomban’ny depiote Malagasy. Tsy ny fandaniana azy no olana na ny tsy fandaniana azy ity fa ny fomba fiasan’ny depiote no tena zava-doza manapotika firenena.

Amin’ny raharaha ny fampianarana toa itony dia fototrin’ny fampandrosoana rehetra eto amin’ny firenena izany. Rehefa tiana ho bado olona ao amin’ny firenena iray dia ny fampianarana no atao tsizarizary sy potehina.

Ady hevitra lehibe eto amin’ny firenena ny fanafoanana ny diplaoman’ny CEPE ity.Ireo izay manana fisainana miankina amin’ny vola sy ny asa dia milaza fa tsy ilana ny CEPE satria tsy misy ilana io marim-pahaizana io intsony eto Madagasikara. Fijerin’ny mpanao politika io mazana.

Ireo izay mijery ny maha olona ka manaraka ny fivelaran’ny vatana sy ny saina dia mitazona ny fanadinana CEPE ity. Misy dikany  lehibe amin’ny fanarahana ny  fitombon’ny zaza sy ny fandrefesana ny fahaizany izany ka hahazoany miditra amin’ny dingan’ny fanabeazana manaraka. Io no azo lazaina fa mari-drefy “psykôlojika” voalohany hoan’ny zaza raha tsy hiteny ny fanadihadiana nataon’ilay manampahaizana lehibe manerantany antsoina hoe Jean Piaget sy ny maro hafa koa izay fototrin’ny fanabeazana maneran-tany.  Inona no ilaina izay fizarana telo ny sokajy ny fanabeazana ambaratonga voalohany sy faharoa fototra ho telo taona isany hatrany amin’ny kilasy faha sivy na “classe de 3 ème”. Tena fanapotehana ny fanabeazana ny zaza Malagasy mihitsy izany.

Raha jerena amin’ny lafiny fanabeazana koa dia tena fahadisoana tanteraka ny fanafoanana ny CEPE ity. Mampihena ny finiavan’ny zaza izany satria manana lanjany lehibe izany fahazoana diplaoma voalohany izany. Ankehitriny moa tsy mijery ny lafiny fanabezana izay ny fanjakana ankehitriny fa ny vola ihany no heveriny fa zava-dehibe, dia izao manaonao foana izao.

Ankoatran’ity fizarazarana tsy amin’ny rariny ity dia mbola manome lanja ny “maitre Fram” mpampianatra dondrona ny lalàna ity.

Manankiana mafy ny lalana ity ny firaisan’ny Sekoly tsy miankina amin’ny finoana eto Madagasikara izay misokajy ity lalàna ity ho mirona be loatra amin’ny politika hoy ny fanambaran’ingahy Celin Rakotomalala  izay talen’izy ireo. Ny fanatanterahana ny PEM (plan émergeance Madagascar) no isany ahindrahindra amin’izany. Rehefa  misy ny fialan’izao fitondrana izao amin’ny fitantanana an’i Madagasikara  dia mazava ihany fa hiova indray ity lalàna ity.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi