La Gazette de la grande ile

Tanandava Toamasina : Manjaka ny bizina gazoala

Publié le 01 décembre 2022

Toerana tsy afaka amin’ny fivarotana solika tsy mazava ny ao amin’ny kaominin’i Tanandava, distrikan’i Toamasina faharoa . Vao haingana no nalaza teto amin’ny firenena  ny raharaha solika mitapoka tao an-toerana, dia izao efa niverina amin’ny laoniny izao indray ny fivarotana solika tsy fantam-pihaviana. Tsy miafina ny fivarotana izany ary misy ny  fanafarana na « commande »alefa mialoha ka tonga dia mandray fotsiny eo amoron-dalana ireo mpividy. Marihana fa ireo mpampiasa fiara fitaterana entana no tena manjifa izany. Araka ny fanazavana azo, dia latsaka ambany kokoa noho ny eny amin’ny toby mpaninjara solika ara-dalàna ny vidin’io solika eny amin’ny varo-maizina io, ny kalitao koa anefa ratsy ary manimba fiara. Aiza ny tompon’andraikitra amin’izao varo-maizina gazoala ao Tanandava izao no tsy maindray andraikitra mihintsy ?

Lalao. R

Lire aussi