La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 01 décembre 2022

Avela ho lo ampitoerana izany ireo andramena

Isan’ny harem-pirenena mipetra-potsiny nefa azo ahodina ho fanaka ny andramena efa tapaka saingy mitoby ampitoerana fotsiny amin’ny faritra maromaro eto amin’ny Nosy. Misy izany any amin’ny faritra Sava, any Analanjirofo, any Atsinanana… Saika efa vita isa izy ireny, ary nanjanahana vola hatramin’ny 4 Tapitrisa dolara mihitsy moa nanisana azy. Dia nisaina hatao inona ? Nisaina mba harahi-maso ny fahalovany ampitoerana ve ?

Manamarika izany izahay satria na avy hatrany aza dia aondrana any ampita izy ireo dia mbola azo anantenana volabe hiatrehana ny fanarenana ny fiainam-bahoaka, nefa dia jerem-potsony, avela ho lo ampitoerana.

Tamin’iny herinandro lasa iny dia nivelesana daba manerana ny tanàna ary nanaovana angoan-tenda hatrany ampita ny fahombiazan’ny fandresen-dahatry ny fitondram-panjakana malagasy ny rafitra iraisampirenena misahana ny fiahiana ny zava-boahary sy ny tontolo iainana, dia ny « CITES » izany. Tsy inona io fahombiazana io fa ny naneken’ny « Cites » ny fahafahana mitrandraka ny voamboana (palissandre) eto Madagasikara.

Efa dingana iray mahafinaritra sy mety hahasoa aloha izay. Ny fahaizantsika mandanjalanja sy mifehy ny fitrandrahana na fikapana azy no hiantoka ny ho avin’io karazan-kazo iray isan’ny lafovidy io eto.

Fa mba manakory kosa ny momba ireo andramena voalaza etsy ambony ? Tsy maintsy miandry ny fanapahan-kevitry ny « Cites » koa ve vao azontsika kitihina izy ireo ? Ny voamboana nanomezan’ny « Cites » fahalalahana dia ny fitrandrahana na fikapana fa ny andramena resahintsika kosa dia andramena efa voakapa maherin’ny folo taona lasa izay ny sasany. Tsy fangatahana alalana hikapa na hitrandraka andramena izany fa fikitihana ireo efa voakapa mba tsy ho lo ampitoerana. Mba manana fahasahiana hitaky ny zon’ny firenena malagasy amin’ny fananany ve ny fitondram-panjakana sa tsy maintsy miandry ny sitra-pon’ny fianakaviambe iraisampirenena toa ny « Cites » ?

Ny « Cites » anefa tsy hanonitra ny sandan’ireo andramena ireo amintsika malagasy fa dia tonga amin’ilay fitenenana malagasy hoe « horirik’Ambohimanambola ka aleo lo toa izay ho an-kavana ».

Amin’arivony tapitrisa dolara (miliara dolara) no sandan’ireo andramena efa voakapa mipetra-potsiny ireo raha miondrana amin’ny endriny ankehitriny fa raha ananganana orin’asa eto kosa ka ahodina eto dia vita fanaka vao miondrana dia mety hahazoana an’hetsiny tapitrisa Dolara (quelque dizaine milliards de dollar).

Ny fahasahiranan’ny vahoaka toa izao iaraha-miaina ankehitriny izao no tokony hananan’ny manam-pahefana ara-panjakana fahasahiana mijoro sy miaro ny fiandrianampirenena. Sa tsy fantatra amin’izao fotoana intsony izany « fiandrianam-pirenena » izany ? Tsy famotehana ny tontolo iainana no ho vokatry ny fitadiavana vahaolana amin’ireo andramena efa tapaka ireo. Ny fahalovany fotsiny ampitoerana aza no manimba ny tontolo iainana. Hafa koa ny resaka raha mieritreritra ny hanapaka nefa tsy mihevitra ny hamboly.

Anjaran’ny ministeran’ny tontolo iainana, noho izany, ny manoritsoritra ny tetik’asa hanaovana an’ireo andramena efa voakapa mipetra-potsiny ireo dia mitondra izany eo anoloan’ny fivorian’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra mba hakana fanapahan-kevitra dia miroso amin’ny fanatanterahana azy.

Tsy tokony hadinoinha fa ankoatry ny mety ho fahalovan’izy ireo dia re fa misy ihany ny manondrana antsokosoko tsikelikely azy ireo, izay tsy hitondra fahasoavana ho an’ny vahoaka malagasy mihitsy.

Izay manan-tsaina, aoka izy handinika.

Tohanana

Lire aussi