Publié le 05 décembre 2022
Mafy dia mafy no nanjo antsika nohon’ny fomba nitondrana tsy mijery ny tombontsoan’ny maro nandritry efatra taona izao.
Amin’izao fahatongavan’ny faran’ny taona sy ny fotoam-pialan-tsasatra mahafinaritra ny Noely ho avy izao, Enga anie ny fitiavana no hameno ny fonao sy izay maminao rehetra. Enga anie ho feno fifaliana ny tokan-tranonao sy ny fiananao sy izay maminao rehetra.
Mirary fety sambatra sy Krismasy sambatra! Mirary fitiavana, fiadanana ary fifaliana ho anao sy izay maminao rehetra ny tenako.
Enga anie ho tonga amin’izay ny tena fanovana ho amin’ny fahamariana, ny rariny sy ny itsiny ho fiadananan’ny ambany lanitra.
Zaza R.