La Gazette de la grande ile

Governemanta Ntsay : Ny filohampirenena irery no afa-po aminy

Publié le 06 décembre 2022

Nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny filoha Rajoelina tany amin’ny faritra Fitovinany ka nitokanan-javatra vitsivitsy, ary isan’izany ilay tetezana vonjimaika vita amin’ny vy izay mampitohy an’i Manakarabe amin’i Manakarakely, hafoloana lasa eo izay, no nilazan’ny filohampirenena fa « afa-po amin’ny asa vitan’ny governemanta Ntsay Christian izy ary matoky azy ireo ».

Maro ny ako naterak’iny filazan’ny filoha iny fa ny tsinjo sy tsapa dia toa ny filoha irery no afa-po amin’izy ireo. Izahay dia afaka milaza fa tokony havahana ihany ny raharaha satria ny Praiminisitra Ntsay Christian akory tsy governemanta, nefa dia maro ny olona tsy mankasitraka azy intsony. Na ny mpikambana ao amin’ny governemanta tarihiny aza dia misy ny maneho tsy fankasitrahana sy tsy fahafaham-po aminy.

Etsy ankilany, na ny mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta koa aza dia misy ny mamalan-kira fa ao koa ny tazana miezaka. Noho izany,  tokony ezahin’ny tsirairay ny manavaka ny tontolon’io governemanta io.

Sarotra aloha ny hilaza fa « tsy misy olona afa-po amin’ny ataon’ny governemanta » na koa hoe « tsy mankasitraka an’i Ntsay Christian ny olona rehetra ». Misy ny afa-po amin’ny ataon’izy ireo ary ao ny mankasitraka ny vitany.

Ny tokony lanjalanjaina dia ny hoe « inona no tokony nataon’ny governemanta ka tsy vitany, ary inona no vitany ? Raha ovaina ve ny mpikambana ao amin’ny governemanta dia hahavita betsaka noho ny vitan’ny ankehitriny sa ny mifanohitra amin’izany sa ny omaly tsy hiova no hataon’izay ho avy eo ?

Izahay aloha dia manipika fa ny olona dia eo ihany fa ny politikam-pirenena entin’ilay olona miasa, na praiminisitra izy na minisitra… no fototry ny zavatra rehetra. Tsy hamaivanina akory ny fomba mahazatra tsy nety ka zary raiki-tampisaka amin’ny fomba fiasa niteraka tsy fahombiazana. Tsy azo tsinontsinoavaina ny rafitra misy izay matetika dia rafitra efa tamin’ny fanjanahan-tany. Ny politikam-pirenena ankapobeny nosafidian’ny mpitondra no tokony hadihadiana aloha. Izao fiankinan-doha amin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena izao no fototry ny tsy fahafahan’ny mpitondra manao zavatra goavana ho an’ny firenena.

Itodiho ange ny raharaha teto fa ny sangodim-panin’ny hery vahiny teto no tena tsy nahatafavoaka ny vahoaka tao anatin’ny fampahantrana namatotra azy e ! Nisy hatrany ny olona sasantsasany tao anatin’ny governemanta , na ny tato anatin’ny 30 taona farany ihany aza no itodihana, no nanana tarigetra tsy manaiky hovozonan’ny hery vahiny, fa natanjaka kokoa ny mpomba sy ny nanaiky ho saribakoliny ka izao mbola tsy mitsahatra mikororosy fiainana mankany amin’ny farahidiny izao ny ambanilanitra.

Samia misaintsaina.

Tsimba

Lire aussi