La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 06 décembre 2022

Tsy tokony ho sodokan’ireny vahoaka ireny ny filoha

Isaky ny mitsidi-paritra ny filohampirenena dia vahoaka mangorom-potsy hatrany no manotrona azy. Mba tsy hifanazavana betsaka dia ndeha io voambolana hoe « manotrona azy » io no ampiasaintsika. Marina aloha fa misy ny mpanan-kanto matetika tonga manafana ny fotoana rehefa ho avy filoha, indrindra fa fitokanan-javatra no hatao. Tsy fahita intsony mantsy ny zava-nisy tany ambadiky ny 30 taona lasa tany. Tamin’izany fotoana, rehefa hamory vahoaka ny mpitarika politika dia tonga ny olona, ary matetika no mangorom-potsy koa. Raha mitondra mpanan-kanto ilay mpisehatra politika dia tsy andrin’ny vahoaka ny hitenenan’ilay mpanao politika, ary rehefa vita ny kabary dia lasa ny 90%-n’ny olona tonga eo. Na Monja Jaona mikabary na ny Pastora Andriamanjato… dia izany no niseho. Ny mifanohitra amin’izany no misy ankehitriny. Mampalahelo.

Ka rehefa mahavory vahoaka àry ny mpitondra tato anatin’ny 30 taona dia matetika no sodokan’izy ireny. Amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra hiatrehana fifidianana dia ahitam-pahombiazana tokoa aloha ny fahafahana mamory vahoaka satria misy dia misy ireo resy lahatra tampoka amin’izay mpifaninana hofidiana mijoro eo anoloan’ireo vahoaka ireo. Misy akony any amin’ny vato harotsak’ilay mpifidy ny vahoaka vory toa ireny.

Amin’ny andavanandro koa, raha mamory vahoaka ny mpitondra dia efa misy tanjona ao aminy , dia ny hankasitrahan’ny olona azy.

Fa ny adinon’ny mpitondra matetika, na nifidy azy hatramin’ny 75% aza ny mpifidy, dia tsy azo ianteherana izany rehefa tonga ny fijoroan’ny 25% sy izay diso fanantenana tamin’ilay mpitondra voafidy.

Io 25% sy ny diso fanantenana tamin’ny mpitondra io rehefa miombon’hetsika ka midina an-dalambe dia mahavita mampikatso ny raharaham-panjakana (machine administrative), ary matetika dia ny maro amin’ireo nifidy na nomba ny mpitondra no lasa manara-dia an’ireo 25% sy ny diso fanantenana rehefa mitohy ny hetsika.

Ny antony aloha dia tsotra. Ny nifidy ny mpitondra dia tsy ho afa-po 100% amin’ny ataon’ny mpitondra na vitan’ny mpitondra hatramin’ny 70% aza ny nampanatenainy. Samy nanana ny nandrandrainy tamin’ilay mpitondra nampanantena zavatra taminy mantsy.

Noho izany, maro amin’ireo olona lasa nirona tamin’ireo 25% no mihevitra fa mety hisitraka ny tsy azony tamin’ilay fitondrana nofidiany izy raha manara-dia an’izao miombon’hetsika izao. Matetika aloha dia tsy ilay mpanao politika nifaninana tamin’ilay lany tamin’ny fifidianana io miaraka amin’ny midina andalambe io fa olona hafa.

Ny zavatra nisy anefa dia tsy ny 70%-n’ny nampanantenaina no vitan’ilay voafidy fa ampahany ihany ka nandaitra indraindray ny hevitry ny mpanakiana azy. Ny hery vahiny koa matetika, manohana sy mampiseho fiaraha-miasa amin’izay voafidy eo, ary miezaka miaro azy aza, fa rehefa tsinjon’ny hery vahiny fa tsy ho tanan’ilay voafidy intsony ny fahefana, dia mitady olona hafa asosoka hasolo azy ry zareo. Izany hatrany no nisy teto.

Ka na sokajin’ny mpanao politika tena mijoro amin’ny fitiavan-tanindrazana velona sy ny fiandrianam-pirenena aza no mitarika ny vahoaka midina an-dalambe, mitaky fiovana, dia hain’ny hery vahiny ny mitsofoka ao anatin’ilay hetsika, rehefa tiany akisaka ilay amperin’asa ary raha tsy manana lamina maty paika amin’ny fitarihana hetsi-bahoaka ilay mitolona. Hany ka mahazo vahana ao anatin’ny herin’ireo ­mikatsaka fiovana ho amin’ny tena tombontsoam-bahoaka ny saribakolin’ny hery vahiny, dia miverina hatrany ny hetsika afaka fotoana iray.

Ny tsy azo hamaivanina izany dia tsy azon’ny mpitondra amperin’asa na mpanao politika vao lanin’ny maro an’isa ianteherana ny hamaroan’ny olona nifidy azy na manohana azy rehefa manakaiky ny « fipoahan’ny sarom-bilany ».

Tohanana

Lire aussi