La Gazette de la grande ile

Lalaon’ny CJSOI : Tsy menatra ny mandainga i Tinoka Roberto

Publié le 07 décembre 2022

Nisokatra tamin’ny alahady lasa teo ary hifarana ny 11 desambra ho avy izao ny lalaon’ny vaomieran’ny tanora sy ny fanatajahantena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina na ny CJSOI, izay tanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy. Marihana ny taona 1995 no nanomboka nisian’ity lalao iraisam-pirenena natao manokana ho an’ny tanora ity, saingy sambany vao tsy nandray anjara tamin’izany i Madagasikara. Niteraka resabe eto amintsika moa io tsy fandraisana anjaran’ny atleta malagasy io, ary omaly vao nitondra fanazavana ny antony nahatonga izany ny minisitry ny tanora sy ny fanatajahantena, Tinoka Roberto, nandritra ny fitsenana ny Ankoay na ny ekipam-pirenena malagasy ny basketball 3×3 teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ny Ankoay lehilahy izay tsiahivina ihany fa tompon-daka tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika natao tany Egypta.

Nampiomehy ny fahenoina ny fanazavana nomen’i Tinoka Roberto satria tsy ilay tena antony marina nahatonga ny delegasionina malagasy tsy nandray anjara tamin’ny CJSOI no nambarany tamin’ny mpanao gazety fa zavatra hafa mihintsy. Araka ny filazan’ny minisitry ny tanora sy ny fanatajahantena, dia nanapan-kevitra ny tsy handefa delegasionina any amin’ny lalaon’ny CJSOI atao atsy Maorisy mihintsy aloha ny fitondram-panjakana malagasy satria ny laharam-pamehana dia ny fanomanana ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy (JIOI) 2023 izay hotanterahina eto amintsika. « Ny hahazoana ny laharana voalohany amin’ny Lalaon’ny Nosy no laharam-pamehana ho antsika ka hifantoka tanteraka amin’izany ny fitondram-panjakana », hoy ny minisitra Tinoka Roberto. Lainga tanteraka anefa izany satria ny tena antony tsy nandraisan’i Madagasikara anjara dia ny tsy firaharahin’ny fiadidiana ny Repoblika. Tsara marihana fa ny 21 jiolay lasa teo no tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra fa handefa delegasionina amin’io Lalaon’ny CJSOI io i Madagasikara. Ny 14 oktobra lasa teo no nandefa taratasy fangatahana fahazoan-dàlana na ny « demande d’autorisation d’engagement » tany amin’ny fiadidiana ny Repoblika ny ministeran’ny tanora sy ny fanatahajantena, ny zava-misy anefa dia tsy namaly izany fangatahana fahazoan-dalana izany mihintsy ny prezidansa, hatramin’ny alahady 4 desambra teo izay andro nanombohan’ny lalao atsy Maorisy.

Tao anatin’io fangatahana io ny tetibola ilaina amin’ny fiatrehana ny CJSOI izay mitetina 311 tapitrisa ariary izay tsy nivoaka mihintsy. Rehefa izay ny zava-nitranga dia nangataka tamin’ny minisitry ny vola sy fitantanam-bola indray taty aoriana ny ministeran’ny tanora sy ny fanatajahantena mba hamoaka vola 77 tapitrisa ariary handoavana ny saran’ny fandraisana anjara (frais de participation). Indrisy anefa fa tsy namoaka izany vola izany koa ny minisitra Rindra Hasimbelo, hany ka tsy afaka ny handray anjara amin’ny Lalaon’ny CJSOI mihintsy i Madagasikara. Izany no tena fositry ny olana, saingy tsy sahin’i Tinoka Roberto ny manambara izany noho ny tahotra ny ho very seza.

F. Tsihiavonana

Lire aussi