La Gazette de la grande ile

Fako mivangongo eto Andrenivohitra : ny SMGD no tena fositry ny olana

Publié le 07 décembre 2022

Mampiteny ny moana ny fivagongon’ny fako eto Andrenivohitra, ankehitriny. Saika ahitàna izany daholo ny toerana rehetra aleha eto Antananarivo, ary tsy vitan’ny hoe miteraka loto fotsiny fa manamaimbo ny tanàna ihany koa. Araka ny fanazavana nomen’ny ben’ny tanàna Naina varira, nandritra ny fandaharana manokana nataony tao amin’ny haino aman-jery tsy mainkina, ny alakamisy lasa teo, dia ny tsy fahampian’ny vola ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina no antony mampivangongo ny fako satria tsy ampy ny solika ampiasain’ireo fiarabe mpitatitra fako.

Tsy mahagaga raha tsy ampy ny vola ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina satria araka ny efa nambara tany aloha, dia ny ampahany betsaka amin’ny haba aman-ketra tokony hiditra amin’ny kaominina amin’izao fotoana dia lasa any amin’ny SMGD (Société municipale de gestion digitale) daholo. Ny SMGD izay tsiahivina fa orinasa tsy miankina tantanin’i Naina Andriantsitohaina sy ny fianakaviany fa mody natsoina hoe orinasa monisipaly fotsiny, ary ny vola rehetra miditra ao dia lasa any am-paosin’izy ireo avokoa. Mazava ankehitriny fa ny fisian’ny SMGD mihintsy no fositra mahatonga ny fako mivangongo eran’ny Renivohitra. Tokony ho ampy ny vola ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina hividianana solika fa lanin’i Naina varira sy ny fianakaviany ny vola, ary ny mponin’Antana­na­rivo no voatery miaina ao anaty fako sy fofona maimbo.

Ramanana

Lire aussi