La Gazette de la grande ile

Mpiasan’ny Senat : Tsy miraharaha Razafimahefa Herimanana

Publié le 07 décembre 2022

Tao anatin’ny andro vitsy izay dia nanambara ny mpiasa ao amin’ny antenimierandoholona ny tsy fandraisan’izy ireo ny karamany ara-dalàna. tsy mbola nandray ny karama vola novambra 2022 ireto mpiasa ireto hatramin’izao. Tsy fantatra izay antony fa dia tapaka izao fotsiny tsy misy fanazavana, tsy misy fampandrenesana. Teo anatrehan’izany dia nanao fitokonana izy ireo efa ho andro maromaro izany. Tsy azo antoka koa hoy izy ireo na handray vola na tsia izy ireo ny volana desambra 2022 ity.

Ny filohan’ny antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana dia milaza fa ny minisitrin’ny vola sy ny toe-karena Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison no tsy mamoaka izany karama izany. Raha nitondra ny fanazavana indray ity minisitry ny vola ity dia nanambara fa efa lasa any amin’ny senat izany vola izany. Tsy fantatra intsony izay tena marina amin’ity raharaha ity. Iza no mandainga ny minisitrin’ny vola ve sa ny filohan’ny antenimierandoholona? Nankaiza ilay vola  no tsy hita sa ve nisy nanodikodina teny an-dalana ho eny Anosy. Tsy misy anefa filazana avy amin’ny mpitandro ny filaminana fa very ny karaman’ny mpiasan’ny senat.

Tsy miraharaha izay mpiasam-panjakana ao amin’ny  senat ny filohan’ny antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana ity raha izao zavatra mitranga izao. Raha izy no tsy omena karama toa ireo mpiasan’ny senat ireo dia mba ahona no ataony? Ny azo antoka aloha dia mandray ny azy ara-dalana ireo senatera ireo.

Fihantsiana ny mpiasa hitokona sy hanao grevy ity raharaha ity. Tsy azo inoana ny fahatapahana karama toa izao satria efa voafaitra ao anatin’ny tetibolam-panjakana izy ireny.  Tsy azo inoana koa fa hisy fahadisoana ny fandoavana karama toa izao.  Ny minisitrin’ny vola Rindra Hasimbelo ity koa dia hita fa tsy afaka manara-maso ny mpiasa ao aminy. Tsy azo ekena izany tsy fandoavana karama ny hoan’ny andrimpanjakana  lehibe toa izao. Tsy mahagaga raha potika ny fiainam-pirenena satria asa fanao mahazatra  izay tsy tokony hitranga no lasa olana toa izao indray. Araka ny voalaza ombieny ombieny dia ny mpitondra  ao amin’ity fanjakana ity no manao izay hisian’ny korontana sy manohitra fitondrana eto Madagasikara.

Miandry izay fanampahan-kevitrin’ny mpiasan’ny senat indray izany isika satria tapitra ny fetrandro hiandrasany ny fandoavana ny karama omaly talata faha 06 desambra 2022.  Milaza izy ireo fa hiditra fitokonana mafimafy kokoa manomboka androany.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi