Publié le 07 décembre 2022
Tamin’ny hetsika fanamarihana ny andro maneran-tany amin’ny ady atao amin’ny Sida dia nahitana olona enina ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH ao Mahajanga. Fitiliana voamarina tamin’ny 1 desambra 2022 izany.
Anatin’ny fifanandrinana ny roa tonta dia ny ENS (Ecole Nationale Supérieure) sy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Nasionaly (MEN), efa andro maromaro no nitrangan’izany. Nirotsaka tamin’ny fitokanana ny tao amin’ny ENS omaly tolakandro satria antontan-taratasy miisa 626 ihany no voaray ho mpiasam-panjakana araka ny fanapahan-kevitry ny MEN. Tsy eken’izy ireo io fetra isa nivoaka io ka niteraka korontana tetsy Ampefiloha, . Nisy ireo olona roa voasambotry ny mpitandro filaminana, ary efa navotsotra izany ny omaly hariva ihany. Mbola hitohy ny fitokanana hoy ireo tao amin’ny ENS.
Nangonin’i Soarak