La Gazette de la grande ile

Fitokanana ny lalampirenena RN44 : Kajiana hifanandrify amin’ny propangady 2023

Publié le 07 décembre 2022

Tsy mahatoky tena ny fitondran’i Mamimbahoaka sy ny mpiara-dia aminy  amin’izao fotoana. Mikaroka amin’ny fomba rehetra mba hisarihana ny vahoaka malagasy handatsa-bato ho azy amin’ny taona 2023 i Mamimbahoaka amin’izany. Nokajiany hifanandrify amin’ny fotoanan’ny propagandy 2023 io ny fotoana hitokanana io lalampirenena RN44 izay mampitohy an’i Moramanga amin’i Ambatondrazaka io, dia ny volana jona 2023, hoy hatrany izy. Tahotry ny tsy ho mamim-bahoaka intsony ka mikaroka paik’ady hambaboana ny fon’ny mponina Ambatondrazaka no tanjony. Talentan’i Mamimbahoaka ny mihazakazaka amin’ny fitokanana ny fotodrafitrasa etsy sy eroa mba hampandriana adrisa ny safidim-bahoaka amin’ny 2023 izany. Iniana nampitarazohana ve ny fahavitan’ny asa amin’iny ampahan-dalana faharoa iny, hoy ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena eto amintsika. Ny mahagaga tamin’iny lalana iny dia misy takelaka diso izay notsipihana mena avokoa. Nasiana fanitsiana ireo takelaka famatarana diso fitsatoka ireo.  Izany hoe raha misy takelaka manondro ny fiolahana izay tokony hitandreman ‘ny mpamily fiarakodia, dia notsipihan’ny teknisiana manampahaizana mena izany, tsy azo raisina. Miverina hita mifanakaiky tsy lavitra eo indray ny takelaka mitovy amin’io,  izay takelaka famantarana ara-dalàna tokony hajain’ny rehetra. Toa vola laniana fahatany raha ny tombamaso arak’izany satria takelaka famantarana vita amin’ny vato ireo takelaka famantarana diso fitsatoka ireo. Maromaro hoy ny tsy mahay manisa  ny takelaka famantarana nasiam-panitsiana amin’iny lalampirenena vita amin’ny ampahany iny. Dia hitotorebika tokoa izany ny vahoaka an’Ambatondrazaka amin’io kajy vita momba ny fitokanana io lalampirenena RN44 amin’ny propangady 2023 io.

Teny ambavan’ny maro dia ny hoe hiverina ho sompitr’i Madagasikara amin’izay i Ambatondrazaka rehefa vita ity lalampirenena RN44 ity aorian’ny fitokanana, izay potika aman-taonany maro.

Aina Soa

Lire aussi