La Gazette de la grande ile

Sefom-pokontany Ambodifilao sy 67 ha Atsimo : Manompa ny solontenan’ny Ceni eny ifotony

Publié le 30 décembre 2022

Toetra mamoehatra ny ataon’ny sefom-pokontany vitsivitsy toy ny ao Ambodifilao sy 67 ha Atsimo, anatin’ny Boriborin-tany Antananarivo I. Rehefa tsy manaraka ny baiko omen’ny sefom-pokontany ireo mpanisa mpifidy antsoina hoe « agent recenseur » sy ny Vaomiera ifotony mpanisa mpifidy na «  Commission Locale de Recensement des electeurs » dia mahazo ompa vary raraka amin’ireo Sefom-pokontany izy ireo. Amin’izao fotoana dia anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny isam-pokontany. Misedra olana maro ireo AR sy ny CLRE mitety trano. Mavitrika ny an-kamaroan’izy ireo amin’ny  fanoratana ny anaran’ireo olona isan-tokantrano, mahafeno ny fepetra rehetra amin’ny filatsahan-kofidiana. Ohatra amin’izany ny fiheveran’ny isan-tokantrano sasany fa haitraitra ny fandraisana ny anarana anaty karine. Indraindray dia tsy araky ny baikon’ilay sefom-pokontany ny zava-misy atrehan’ireo solontenan’ny Ceni mandom-baravarana, izay hanatontosa ny asa nampiandraiketin’ny Ceni foibe. Mampiteraka fifamaliana matetika eo amin’ny roa tonta izany, ka vitan’ny Sefom-ponkotany ny manompa amin’izany. Eo koa ny tsy fitovian’ny loko politika, ary vao mahita ny AR na ny CLRE ireny ny olom-pirenena sasany, dia hatezerana no miseho , misy aza ny mandrahona amin’ny famoahana ny alika mpiandry tanànany raha mbola misisika ny hiditra ihany ireo solontenan’ny Ceni eny ifotony.

Vokatr’izany dia mihena an-daharana ny mpanisa ny mpifidy na AR (Agent Recenseur)  sy ny vaomiera na CLRE (Commission Locale R E) ary izay tsy mahazaka ny vavan’ireo sefom-pokontany ireo koa dia nanapa-kevitra ny nampitsahatra ny fanisana isan-tokantrano. Arak’izany dia ahiana ny mety hampihena ny isan’ny mpifidy misoratra anarana ato anatin’ny Boriborin-tany I raha toa izao ny fihetsika ataon’ny Sefom-pokontany. Ekena ny fahamafisan’ny asa atrehina saingy ny Sefom-pokontany dia solotenam-panjakana mahefa eny ifotony, ary nametrahana fitokisana amin’ny fandaminan-draharaha ankapobeny. Tokony ho fantatry ny olom-pirenena tsirairay ny zo fototra ananany amin’ny fiatrehana ny fifidianana rehetra handalo.

Aina Soa

Lire aussi