Publié le 30 décembre 2022
Raha tsy misy ny fiovana dia rahampitso 31 desambra no hanao lahateny ho an’ny vahoaka Malagasy toy ny fanaony isan-taona ny filohan’ny Repoblika. Tsara ny manamarika fa nandritra ity taona 2022 ity, dia tsy nanao fandaharana manokana tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana mihintsy tahaka izay nataony tamin’ny taona 2020 sy 2021 ny filoham-pirenena na betsaka aza ny toe-draharaha nafampana sy nahasorena ny vahoaka nitranga teto amin’ny firenena, raha tsy hiresaka afa-tsy ny delestazy izay tena nampikaikaika ny mponina sy ny raharaha vonoan’olona tsy manan-tsiny niseho tany Ikongo. Sambany noho izany tamin’ity taona 2022 ity no hanao lahateny mandritra ny fotoana maharitraritra ho an’ny vahoaka Malagasy ny filoham-pirenena.
Raha ny zavatra hita niharihary, tao anatin’izay efa-taona izay, dia maro tamin’ireo fampanantenana nataon’ny filoha rehefa faran’ny taona tahaka izao no tsy tanteraka akory, tsy resahina intsony ny velirano tamin’ny fampielezan-kevitra. Tamin’ny 31 desambra 2021 ohatra, nilaza i Andry Rajoelina fa hanomboka amin’ity taona 2022 avokoa ireo tetikasa lehibe nampanantenainy ho an’ny Malagasy. Hifarana rahampitso anefa ny taona, fa zara raha misy tanteraka akory ireo tetikasa lehibe ireo. Anisan’izany ny tanàna vaovao Tanamasoandro tokony natao eny Imerintsiatosika, ny fantsona lehibe na ny «pipeline» sy ireo fotodrafitrasa maro samihafa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, na koa ireo lalana mitsingevana (flyover) nambara fa hapetraka eny Anosizato sy Ampasika.
Farany amin’io rahampitso 31 desambra io no hanao lahateny sy hitafa amin’ny vahoaka ny filoham-pirenena satria afaka sivy volana eo ho eo raha ela indrindra no hametra-pialàna ny tenany raha mbola hirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoha manaraka. Azo antoka noho izany fa hanao fampanantenana paokaty faran’izay tratrany i Mamimbahoaka, rahampitso, fampanantenana izay mendrika fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana 2023. Samihafa anefa ny amin’izao fotoana sy ny tany amin’ny efa-taona lasa satria mety mbola nino ny ankamaroan’ny Malagasy tamin’izany fotoana fa tsy tahaka ny ankehitriny intsony.
Ramanana