La Gazette de la grande ile

Fifidianana filoha 2023 : Mitaky fitsarana manokana ny antoko MFM

Publié le 30 décembre 2022

Omaly no nanamarika ny tsingerintaona faha-50 nijoroany ny antoko MFM na ny Mpitolona ho an’ny Fandrosoan’i Madagasikara. Fanamarihana izay notanterahina teny amin’ny Motel Anosy ary natrehan’ny solontenan’ny mpikambana manerana ny Nosy sy mpanao politika maromaro avy antoko hafa eto amin’ny firenena. Tamin’io fotoana io no nanararaotra nanao fanambarana mahakasika ny raharaham-pirenena ity antoko natsangan’i Manandafy Rakotonirina ity, ary nanomezan’izy ireo soson-kevitra ho an’ny vahoaka Malagasy, ny mpitondra Fanjakana, ny antoko politika ary ny fikambanana firaisamonim-pirenena.

Ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka amin’ny taona ho avy moa no tena niompanan’ny fanambarana nataon’ny MFM. Mba hisorohana ny disidisa mety hateraky ny fifidianana dia takian’izy ireo ny fametrahana fitsarana manokana hisahana izany na ny Cour Electorale Spéciale tahaka izay nisy nandritra ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin’ny taona 2013. Takian’izy ireo koa ny fanatsarana ny firafitry ny vaomieram-pifidianana mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) izay tokony handraisan’ny antoko politika anjara. Ankaotra izay, tsy azo idovirana ny fanomezana lanja ny fokonolona sy ny firosoana amin’ny kara-pifidianana biometrika. Mbola mamerina ihany koa ny MFM fa raha tiana ny tena ny hivoahana amin’ny krizy dia tokony hirosoana ny donakafom-pirenena.

F. Tsihiavonana

Lire aussi