La Gazette de la grande ile

Lapan’ny filohampierenena : Hitombo isa ireo vehivavy hamarina an-kady

Publié le 30 décembre 2022

Isan’ny antony miteraka fahasahiranana amin’ny fitantanan’ny filohampirenena ny tany sy ny fanjakana ireo andriambavilanitra maro manafotra ny lapan’ny filoha. Voagejan’izy ireo ny filoha ka tsy mahita sy tsy mandre ny feon’ny olom-pirenena maro sy ny tena zava-misy. Ny mpanara-maso sasany koa moa dia manipika fa « ny filohampirenena mihitsy koa no tsy mahafehy ny raharaham-pirenena ». Izany hoe karazan’ny jamba mifampitantana ange izany e !

Mampiaiky volana ny maro aloha ny afitsok’ireo andriambavilanitra manodidina ny filoha ireo. Raha raharaha miainga avy amin’ny baiko dia mety ho vitan-dry zareo saingy ilay baiko mihitsy no toa tsy misy firy. Tsy ireo andriambavilanitra ireo mihitsy no hahavita manao famakafakana sy fandalinana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ka hanolotra izany ny filoha.

Amin’izao fotoana anefa dia indro fa hitombo an-daharana indray ireo andriambavilanitra hiaka-dapa satria mijoro indray koa izany « Vondrona maroloko mpanome tanana ny filoha » (Vmmtf) izany, izay vehivavy ny 80%.

Tsy hitsara ambony ihany isika satria misy ny vehivavy no mahafehy politika ary misy ny vehivavy no tena tia tanindrazana, sady teknisiana koa, saingy hatreto dia tsy misy amin’izy ireny mba tsikaritra manodidina ny filoha. Tsy mbola ahitana sompirana an’izy ireny koa ao amin’ity « Vmmtf » ity.

Dia mbola azo heverina fa marina hatrany ihany aloha hatreto ny fanamarihan’ny olona sasany hoe na hanangana fikambanana isaky ny vakim-paritra any amin’ny fokontany any aza ireo mpiara-dia amin’izao fotoana sy manodidina ny filoha, ary na hamorona anaram-pikambanana zato sy arivo eo aza, ka tsy ny tena tompon’ny fahaizana ny tena politika sady tena tompon’ny tena fitiavan-tanindrazana ary tena manana tarikefa amin’ny fandrindrana fiaraha-monina no mandrafitra ny manodidina ny filoha dia azo antoka fa ny hatrizay tsy miova ihany ny eto, na sanatriavin’ny vava, hikororosy isanandro ny raharaha. Maro amin’izy ireny, na lehilahy na vehivavy, no niara-nitolona tamin’ny filoha hatramin’ny fotoana niakarany teo amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo sy ny taty aoriana, indrindra fa tamin’ny hetsi-bahoaka nitaky ny « fiovana tena izy », saingy tsy misy hita tabilao hatreto. Nanili-tena sa voailika ?

La Gazette

Lire aussi