La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 30 décembre 2022

Ataovy veloma !

Hifarana ity ny taona 2022. Maro ny endri-javatra nifamahofaho nandritra izay 363 andro farany izay. Tsy tenenina intsony ny talohan’izany. Tao ny nahafinaritra sy nahavelom-bolo, tao ny nahakivy sy nampanahy be ihany. Nisy ny tena nandiso fanantenana sy mampamoy fo. Nisehoan’izany tany anivon’ny fiainan’olon-tokana tany. Nitrangan’izany tany anatin’ny ankohonana sasany tany. Niaina izany ny fiaraha-monina isan-tsokajiny, ary niantefan’izany ny fiainan’ny firenena tamin’ny ankapobeny.

Raha ny marina dia ny fahaizana misintona anatra na lesona no fahamendrehana indrindra.  Ny fahaizana misintona anatra dia ny fiezahana mitana izay nahitam-pahombiazana fa mitaky ezaka sy toe-tsaina hentitra kosa ny fahasahiana « manao veloma ny nitera-pahasahiranana ».

Ny fitantanana ny firenena no voalohany iantefan’izany fitakiana ezaka ho sahy hanao veloma ny tsy nahombiazana izany. Manomboka amin’ny olona io. Isaory izy fa aza menatra na miahiahy azy rehefa tsy nahitam-pahombiazana fa mafy ny akon’izany tamin’ny vahoaka. Ataovy veloma koa ny politika efa tsy nahitam-pahombiazana hatrizay nefa mbola nifikirana nandritra ity taona 2022 ity. Voalohany amin’izany ny fivavahana isa-maraina amin’ny Banky Mondialy sy ny FMI ary ny firenen-dehibe mpanani-bohitra mpandroba harena eto. Ataovy veloma koa ny rafitra namoa-tsampona sy nitera-doza tamin’ny vahoaka teto. Voalohany amin’izany ireo rafitra navela sy nasain’ny mpanjana-tany najoro teto. Ary mahasahia manao veloma ny toe-tsaina sy fihetsika ary ny nahazatra tsy nahitam-pahombiazana. Isan’ireny ity kiantrano an-trano sy ny kinamanamana tsy nampivoatra ity. Isan’izany koa ny kolikoly avo lenta sy ny kilalao politika maloto.

Marina fa hiatrika fifidianana ny firenentsika amin’io taona ho avy 2023 io ka mety halaim-panahy ny fisainana hieritreritra hoe « raha atao veloma avokoa ireo tsy nahitam-pahombiazana voatanisa ireo, azo antoka ve fa mbola hahavita fahagagana ary tsy ho lasa manohitra ny mpitondra ve na tsy hiteraka fikorontanana ve izany? »

Ny fahasahiana manao veloma dia midika fanapahan-kevitra hentitra hiroso amin’ny fiovana tena izy. Na kely ihany aza ny fiovana hisongadina ao anatin’ny enim-bolana amin’io taona ho avy io dia zava-dehibe amin’ny vahoaka izay, indrindra raha miohatra amin’izay ho fihomboan’ny fahapotehana sy fahavoazana raha tsy miroso « manao veloma » an’izay fositra.

Marina fa tratra aoriana ny fanapahan-kevitra raha izao vao hanao veloma an’ireo fanetriben’ny tany, fa aleo tratra aoriana nefa nahitam-bokany na kely ihany aza, toa izay vao mainka nampitombo fahasahiranana satria nanohy ny lalana efa hita fa diso.

Mbola tsy maty afoy akory ny firenena malagasy sy ny vahoaka ao aminy, ary tsy mbola fongana hatramin’ny fakany akory ny harem-pirenena azo iatrehana ny tena fanarenam-pirenena sy tena fampivoarana ny fari-piainam-bahoaka ka mahasahia « manao veloma » an’izay ny tsy izy e !

Tohanana

Lire aussi