La Gazette de la grande ile

Manamboninahitra lefitry ny tafika : mitaky ny anjara-toerany

Publié le 01 février 2023

Ny manamboninahitra lefitra eo amin’ny tontolon’ny tafika no maro an’isa indrindra amin’ny fianakaviamben’izy ireo. Matetika izy ireo no voasokajy ho « kely tsy mba mamindro ». Sarotra koa anefa ny mifanehitra amin’izy ireo rehefa mijoro ry zareo. Matoa tokoa ange tena nahomby ny hetsi-bahoaka tamin’ny 2009 dia noho ny fisian’ireo manamboninahitra lefitra izay nanatevin-daharana ny vahoaka e ! Ireny tranga teny amin’ny Capsat ny faha-8 martsa 2009 ireny sy ny niseho tany amin’ny tobin-tafika isan-tsokajiny tamin’ireny fotoana ireny dia ny manamboninahitra lefitra no tena niketrika fa ireo manamboninahitra ambony sy manamboninahitra jeneraly, somary niafinafina satria natahotra ny kapoakany teo anoloan’ny jadon-dRavalomanana.

Rahampitso 1 Febroary no homarihina toy ny isa-taona ny « Andron’ny Manamboninahitra Lefitra ». Avy dia any ambovonana ny fitakian-dry zareo hoe « ataovy misongadina manomboka rahampitso, mandritra ny fanamarihana ny « Andron’ny Manamboninahitra Lefitra » ny amerenana ny anjara-toeranay eo anivon’ny tafika, ary anomezana ny hasin’ny tafika amin’ny ankapobeny.

Tsy zarizary ary saika  tsy asian’ny olona lanja sy hasiny ny tafika malagasy hatramin’ny nanasokajiana ny manamboninahitra lefitra ho « zinona ».

Isan’ny famerenana ny lanja aman-kasin’ny tafika, hoy ireto maro an’isa, ny famerenana ny fikambanan’ny manamboninahitra lefitra na « Cosofam ».

Isan’ny teboka mampanitikitika ny sain’ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena aloha ny nandraran’ny tompon’andraikitra ny fijoroan’ny Cosofam e ! Inona loatra ny antony ?

Isan’ny fanamarihana re avy amin’izy ireo ny hoe « tokony hiezaka mampivelatra ny fifandraisany amin’ny tafika amin’ny ankapobeny ny filohampirenena ; amin’ny maha-filohampirenena azy sy amin’ny maha-filoha farantampon’ny tafika azy fa tsy ho voahidin’ireo manamboninahitra jeneraly vitsivitsy, izay efa misotro ronono, manodidina azy, ary mba tsy hihaino feon-dakolosy tokana avy amin’ireo manamboninahitra jeneraly mbola amperin’asa izay mitana andraikitra politika, ary ireo manamboninahitra ambony misahana andian-tafika, izay saika niara-dia tamin’ny mpitondra teo aloha izay nifaninana tamin’ny filoha ankehitriny.

Izahay manamboninahitra lefitra no mahatsapa ny maharary ny tafika, hoy izy ireo, ary mahafantatra zavatra marobe, na ao anatin’ny tafika na any anivon’ny fiaraha-monina, nefa dia voasakana amin’ny fomba rehetra tsy hifanakalo hevitra, tsy hampita vaovao any amin’ny filohampirenena.

Tsimba

Lire aussi