La Gazette de la grande ile

Haintany any Androy : Sosialy maharitra ho an’ny vahoaka apetraka

Publié le 01 février 2023

Marefo dia marefo ny fiainana andavanandro ho an’ny vahoaka an’Androy miaina amin’ny haintany isan-taona. Saiky manerana an’i Madagasikara no ahitana ny fiatraikan’ny olana ara-tsosialy. Ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy dia tokony hametraka vahaolana maharitra ho an’ny vahoaka malagasy. Ohatra any amin’ny faritra Androy na any amin’ny faritra hafa , dia tokony hisy ny rafitra soritana  mba hampiroboroboana ny fambolena hifanaraka amin’io haintany io. Tsy ny fizarana tohana lelavola na vary amin’ny gony no atao hoe fanatsarana ny sosialy ho an’ny vahoaka, izay  tsy mahavita taona velively sady tsy hampizarana ny vahoaka amin’izany. Toa lasa fanabezana ratsy mihitsy ity fizarana tohana ara-tsakafo na vatsy  tsinjo na tosika fameno etsy sy eroa ity. Tohana lelavola 100 000 ariary sy vary amin’ny gony  sahaza ny 2 000 tokantrano no nozarain’ny teratany vahiny ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny faritra Androy. Fiaraha-miasa  tamin’ny Saf Fjkm sy ny Ministeran’ny mponina no nahatontosana izany.

Tsy misy faritra iray mamiratra amin’io fivoaram-piainana ara-tsosialy io raha ny eto amintsika. Iarahan’ny rehetra mahalala fa ny haintany dia vokatry ny natiora ara-boajanahary mandavantaona. Tsy mbola vitan’ny manampahaizana ny mametraka sakana ho amin’izany. Noho izany , tokony hametraka vahaolana maharitra ho an’ny faritra Androy ny fitondram-panjakana mandritra ny fotoana maha-mpitondra azy. Efa hifarana afaka fito volana ny fepotoana iasana vao midradradradra hoe imasoana faran’ny haingana ny sosialy ho an’ny vahoaka. Tara loatra ny fandraisana fanapahan-kevitra satria maty ny matin’ny hain-tany ary lasa nodimandry ny hafa noho  ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fahampian-drano. Ny filoham-pirenena ankehitriny dia efa teo amin’io fitondrana io ny taona 2009 , fantatra avokoa ny olana izay tokony novahana tao anatin’ny fohy ezaka, ny antonon’ezaka ary ny lavitr’ezaka. Efa-taona ny filohampirenena ankehitriny nangina tsy niteny tany am-pita tany. Nihevitra ny maro fa niketrika sy hitondra vahaolana maharitra, hampivoarana ny sosialy ho an’ny vahoaka izy rehefa tafaverina eto an-tanindrazana, ka nolanian’ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana 2018. Izany haintany tany amin’ny faritra Androy izany ange efa nisy hatramin’izay e !.Ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa hiantohana rano fisotro madio, ny fahatapahan-jiro lavareny manerana ny Nosy , sy ny fiambenana ny vidim-piainana midangana tsy voafehy hatramin’izao. Sarety mandeha alohan’ny omby hatrany ny fanapahan-kevitra mitranga, na fahafatesana aorian’ny fahatongavan’ny dokotera vao miroso amin’ny fanarenana sy ny fanatsarana

Aina Soa

Lire aussi