Publié le 01 février 2023
Fototra iray ao anatin’ny soatoavina repoblikanina ny hoe « ny olom-pirenena rehetra, na olon-tsotra na tompon’andraiki-panjakana na olom-boafidy dia samy ambanin’ny lalàna daholo ». Tsy voahaja araka ny tokony ho izy anefa izany aty amin’ny firenena mahantra toa an’i Madagasikara. Tsiahivina fa faha-3 amin’ny velirano nataon’ny filoha am-perinasa tamin’ny fampielezan-kevitra ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana fitsarana tsy mitanila, saingy raha mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena, tao anatin’ny efa-taona nitantanan’i Andry Rajoelina dia resabe fotsiny izany satria mbola betsaka ny olona ambonin’ny lalàna, anisan’izany ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina na i Naina varira. Ny 30 septambra 2022, rehefa nankatoavin’ny kaominina ny fanomezan-dalana ireo taxi-moto hiasa ara-dalàna eto Andrenivohitra, dia nametraka fitoriana manohitra izany teny anivon’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny Fanjakana (Tribunal administratif) ny fikambanan’ireo taxi-ville eto Antananarivo Renivohitra na ny FTAR izay tarian’i Clémence Raharinirina.
Fitoriana roa napetraky ny FTAR tamin’izany fotoana izany, dia fangatahana fampiatoana ny didy navoakan’ny kaominina izay manome alalàna hiasa ireo taxi-moto ary ny fitoriana ny ben’ny tanàna satria mandika ny lalàna mifehy ny fitateram-bahoaka eto Andrenivohitra. Tsy noraisin’ny fitsarana ny fitoriana voalohany satria voahaja ny fe-potoana tokony nametrahana izany, fa ny fitoriana faharoa kosa no mbola tsy nivaly mandrak’ity ny androany. Raha ny foto-kevitra ankapobeny ny lalàna eto amintsika anefa no jerena dia tsy tokony mbola mihatra io didy navoakan’ny kaominina io noho ny fitoriana napetraky ny FTAR izay mbola tsy nivaly. Tsy misy hiraharahan’i Naina varira an’izany anefa fa mitohy foana ny dingana amin’ny fampanarahan-dalàna ireo taxi-môtô eto Andrenivohitra. Midika izany fa ben’ny tanàna ambonin’ny lalàna i Naina Andriantsitohaina, ary ny mahagaga dia mitaza-potsiny ny fitsarana. Tsara marihana fa ny resaka taratasy fotsiny no tena karakarain’ny kaominina amin’ireto taxi-môtô ireto fa tsy misy resaka mihintsy ny zavatra hafa rehetra mifandraika amin’izany toy ny lafiny tsy fandriampahalemana sy ny fahadiovana.
F. Tsihiavonana