Publié le 01 février 2023
Teo amin’ny fiaraha-monina malagasy dia nanana ny fomba amantarany ora izy fa taty aoriana vao nisy ny fitaovana ampiasaintsika amin’izao fotoana amin’io famantarana ora na famantaranandro io. Ny misasak’alina dia amin’ny 12 ora alina, ohatra. Ny misafelika ny kary dia amin’ny iray ora maraina. Ny mody mpamosavy, amin’ny roa ora. Maneno akoho, amin’ny 3 ora, ny vao mangiran-dratsy, amin’ny 5 ora. Ny mivoaka omby tera-bao amin’ny 9 ora, ny misandratrandro dia amin’ny 11 ora.
Misy izany ny fanaitairana ny mpiara-monina, indrindra fa ireo manana omby vao tera-bao, mba hihetsiketsika hitery ny rononon’ny omby vao tera-bao, sao tratra atoandro ka hilaozan’ilay omby. Dia velona ny hoe « ela fitery ronono ka nilaozan’ny omby mihahaka ».
Izay oha-pitenenana izay no alaina sary an-tsaina amin’ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena.
Nisy ny feo nandeha teo aloha teo fa « hiroso amin’ny fanovana ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta na ny « remaniement » ny filohampirenena ». Nisy ny niandry satria nanantena. Tao kosa ny nitsivalana ka nanipika fa « tsy fotoanany intsony izao ».
Na hanova na tsia ny filohampirenena dia heverina fa ny raharaham-pirenena tsy tokony hangatahana andro ka « aza ela fitery ronono ka hilaozan’ny omby mihahaka » e ! Ny olona mantsy izao dia manantena fa tsy hiandry ela intsony ny filoha amin’ny fanarenana ankapobeny ny fiainam-bahoaka, ka na hanova minisitra na tsia, dia izay maharesy lahatra ny filohampirenena, tsy tokony hiandrasany ela amin’ny fampivainganany ny tiany hahatongavana, dia ny fikarakarana ny vahoaka.
Vao mainka mamatotra andraikitra ny filohampirenena ny lahateny nataony tany Vatomandry ny sabotsy teo, nandritra ny lanonam-panombohana tamim-pomba ofisialy ny fambolen-kazo. Tamin’izany dia navoitrany fa « hatsahatra ny fananganana fotodrafitrasa fa hiatrika ny fanarenana ny sosialin’ny vahoaka ny fitondrana ». Tena masa-bary maito kitoza ny vahoaka sy ny filohampirenena izany e ! Ny vahoaka ela nijaliana, abaribario aminy haingana ary porofoy ho azon’ny ambanilanitra tsapain-tanana fa misy akony avy hatrany any ambilanin’ny isan-tokonam-baravarana ilay fanarenana ara-tsosialy. Tsy hiady hevitra intsony ny vahoaka amin’izay hoe « mitaky toekarena matanjaka ny fanarenana ara-tsosialy » na koa hieritreritra hoe « aiza ny loharanom-bola hiatrehana izany ». Ny an’ny vahoaka dia tsotra, « aza ela fitery ronono ka hilaozan’ny omby mihahaka ».
Sady fanavotana ny firenena, dia ny vahoaka latsaka ankaterena noho ny fampahantrana mianjady aminy izany, no fampivoarana ny fari-piainan’ny malagasy tsy misy ankanavaka. Aoka tsy hampiandrasina ela ny vahoaka fa sao hilaozan’ny omby mihahaka vao hanenina raha homen’ny vahoaka lamosina eo.
Mety hiteny ny filohampirenena sy ny mpiara-dia aminy hoe « ny fikatsahana ny tombontsoan’ny vahoaka no vaindohan-draharahanay fa tsy misy kajikajy hafa ». Eny, tompoko. Tsy maninona izay lazainareo fa aoka tsy hifanao fangala-piery eto e ! Na inona na inona hataonareo, ny tanjona goavana andrandrainareo dia ny hahavoafidy indray ny filohampirenena amperin’asa amin’ny fifidianana ho avy. Tsy miady hevitra ny amin’izany ny vahoaka ary tsy manome tsiny ny filohampirenena na ny mpiara-dia aminy raha manana izany eritreritra izany izy ireo, fa ny an’ny vahoaka dia tsotra : Tany misy mpitondra fanjakana eto. Tany manana harena tsy hita pesipesenina ; Tany manana manam-pahaizana sy vato nasondrotry ny tany. Tany manana vahoaka be herim-po. Tany ahitana fahefam-panjakana azo ampiasaina amin’izay ilàna azy, ka raha ireo mitambatra no ikatsahana ny fanarenana ny fari-piainam-bahoaka dia ho faly ny betsaka, ka aza ela fitery ronono àry mba tsy hilaozan’ny omby mihahaka e !
Tohanana